Ireo Zava-Miafina Voambara



Tamin’ny voalohan’ny asam-panompoan-dRahalahy Branham dia lasa mazava fa ny rafitra anaram-piangonana dia voaorina mba hampandroso an’ireo rafi-pandaminana ara-pivavahana, fa tsy ny Filazantsara marina. Rahalahy Branham dia nino ny Baiboly isaky ny Teny, ary tsy nanao marimaritra iraisana, na dia lasa fanilikilihana avy tamin’ireo namany, sakaizany, na ny fianakaviany aza izany.

Raha mbola mambra iray an’ny Missionary Baptist Church izy, dia nilazana izy mba hanendry mpitoriteny vehivavy. Kanefa, fantany tsara daholo ny Soratra. I Timoty 2:12 dia milaza mazava hoe, “Fa didiako ny vehivavy tsy hampianatra, na hanana fahefana eo amin’ny lehilahy, fa hangina,” ary I Korintiana 14:34 dia manao hoe, “Aoka ny vehivavinareo hangina ao amin’ny fiangonana: fa tsy avela hiteny izy ireny…” Tsy misy na inona na inona anoherana ny vehivavy izany, saingy ny Baiboly dia mainty sy fotsy eo amin’ilay lohahevitra. Rehefa nomena ny fampitandremana farany, dia tsy afaka nanao marimaritra iraisana izy hany ka dia nilaozany ilay fiangonana.

Tsy io fotsiny ihany no Soratra izay hodian’ireo anaram-piangonana tsy fantatra tanteraka. Ny Tompo dia nanambara ny fahamarinana ny amin’ny batisa tamin-dRahalahy Branham. Ahoana no nahafahan’i Jesosy nandidy hoe, “Koa mandehana ianareo, ary ampianaro ny firenena rehetra, manao batisa azy ireo amin’ny anaran’ny Ray, sy ny Zanaka, ary ny Fanahy Masina,” nefa ny batisa rehetra voarakitra ao anatin’ny Baiboly dia tamin’ny Anaran’i Jesosy daholo? Ny apostoly Petera dia nandidy ao amin’ny Asa 2:38 mba hibebaka sy hatao batisa amin’ny Anaran’i Jesosy Kristy. Ireo Soratra dia miasa ao amin’ny firaisana tanteraka, saingy izany dia nila mpaminany iray hanambara an’ity zava-miafina ity: “Ray” dia tsy anarana, “Zanaka” dia tsy anarana, ary “Fanahy Masina” dia tsy anarana. Tahaka ny lehilahy anankiray mihitsy izay rain’ireo zanany, ny zanak’ireo raimandreniny, ary rahalahin’ireo mpiray tampo aminy, kanefa ny anarany dia tsy “ray,” “zanaka,” na “rahalahy.” Ray, Zanaka, ary Fanahy Masina dia titra ho an’ny Anaran’i Jesosy Kristy. Matio 28:19 sy Asa 2:38 dia tonga ao amin’ny filaharana tanteraka.

Na dia ny ota voalohany tao amin’ny Sahan’i Edena aza dia voambara, tsy hoe fihinanana voankazo anankiray, fa ny tsy finoana ny Tenin’Andriamanitra. Ahoana no ahafahan’ny fihinanana voankazo anankiray hanambara avy hatrany tamin’i Adama sy Eva fa nitanjaka izy ireo? Tsy misy dikany tsotra izao izany. Inona no idiran’ny paoma iray amin’ny fitanjahana? Nambaran’ny mpaminanin’Andriamanitra mazava io zava-miafina io.

Iza ireo anjely niresaka ny amin’ny Apokalypsy toko faha-2 sy 3? Tokony ho fantatra tsara ny anaran’izy ireo.

Iza ireo mpitaingin-tsoavaly mahagaga an’ny Apokalypsy toko faha-6? Manana zavatra tena lehibe anankiray iraisana izy ireo.

Voalaza ao amin’ny Bokin’ny Apokalypsy ve i Etazonia?

Iza ireo 144,000 izay voavonjy ao amin’ny toko faha-7?

Iza ilay mpijangajanga lehibe an’ny toko faha-17? Ny momba azy sy ireo zava-miafina rehetra ireo dia voambara ao amin’ny Hafatr’io mpaminany mahery nirahina avy tamin’Andriamanitra io.

Tsy zava-mahagaga tsy voaisa fotsiny ihany no nanaraka an’io lehilahy io, fa ireo zava-miafina nafenina tao amin’ny Baiboly nandritry ny taona rehetra dia voambara tao amin’ny asam-panompoany ihany koa. Lasa mazava fa io mpaminany io dia nahatanteraka Soratra maro ankoatry ny Malakia 4.

Apokalypsy 10:7: Fa amin’ny andron’ny feon’ny anjely fahafito, rehefa hanomboka hitsoka izy, dia ho tanteraka avokoa ny zava-miafina an’Andriamanitra rehetra, araka ny nambarany tamin’ireo mpaminany mpanompony.

Miantsoantso eran’izao tontolo izao ny Feo anankiray mba hivoaka avy amin’ireo anaram-piangonana ka hiverina amin’ny Tenin’Andriamanitra tany am-piandohana. Ny tsirairay amintsika dia manana fanararaotra mitovy amin’izay nananan’i Petera, Jakoba, ary Jaona. Manana ny fanararaotra isika ny ho isaina miaraka amin’ireo vitsy voafidin’Andriamanitra izay tsy hiondrika amin’ireo rafi-pandaminana ara-pivavahana an’izao andro izao.

Ny Fanahy Masina dia manoratra ny fiainana sy asan’ireo olona izay niara-nandeha tamin’Andriamanitra ary tena voahosotry ny Fanahiny hany izy ireo ka nanambara ny HOY NY TOMPO HOE, ary ny tenin’izy ireo dia nohamarinin’ireo famantarana sy fahagagana tsy mety diso. Mpaminanin’Andriamanitra izy ireo, ary Feon’Andriamanitra ho an’ny taranany.

Samihafa ve ireo fotoana noho ny naha-izy azy ireo fony Jesosy tety? Ireo mpitarika mpivavaka no nanombo Azy. Ireo mpianatra dia vitsy an’isa kely teo anivon’ny rafitra ara-pivavahana goavana be iray. Voahilika izy ireo, nihomehezana, ary farany dia novonoina nohon’ny nandraisan’izy ireo toerana iray nanohitra an’ilay fironana lehiben’ny rafitra anaram-piangonana. Mety tsy vonoina angamba isika noho ny finoantsika amin’izao andro izao, fa azo antoka kosa fa enjehina isika. Tahaka an’ireo Fariseo sy Sadoseo, dia tsy afaka mandà an’ireo fahagagana izay nanaraka ny asam-panompoan-dRahalahy Branham izy ireo noho izany dia mampiasa fanafihana hafa izy ireo. Mety mandre ianareo fa hoe mpaminany sandoka izy, mpitarika fombam-pivavahana, na ratsy indrindra. Ny zava-misy, dia lehilahin’Andriamanitra iray manetry tena izy izay nijoro mafy nanohitra an’ilay fifehezana tsy mamokatra izay ataon’ireo anaram-piangonana sy fombam-pivavahana eo amin’ny vahoakan’Andriamanitra. Nanafika an’i Jesosy tamin’ny fomba mitovy izy ireo rehefa nijoro nanohitra ny dogman’izy ireo sy ireo fombany Izy.

Nanaja ny faneken-dRahalahy Branham hino ny Teny rehetra ao amin’ny Baiboly Andriamanitra, ary Izy no nampiasa ny asam-panompoany hitarika fanahy an-tapitrisany teo amin’i Jesosy Kristy. Amin’izao andro izao, ny Feon’ilay Anjely Fahafito dia mbola maneno mafy nohon’ny naha-izy Azy hatramin’izay. Eo amin’ny olona roa tapitrisa maneran-tany no mino ny Hafatr’i Rahalahy Branham. Mety ho vitsy an’isa kely izany amin’ireo roa lavitrisa izay manambara ny Kristianisma, saingy taiza no nisy vahoakan’Andriamanitra izay tsy vitsy an’isa?

Manana toriteny voaraki-peo mihoatra ny 1,200 izahay izay misy an’ilay Feo izay naminaniana fa ho tonga ao amin’ny Apokalypsy 10:7. Ny tsirairay amin’ireo toriteny ireo dia mamaha an’ireo zava-miafina an’Andriamanitra betsaka. Vonona ho anao koa izany Feo izany raha manaiky ny handre Azy ianao.

 

ANAREO NY SAFIDY

Tsy mbola nisy fotoana na anankiray aza nitondrako hafatra iray teo amin’ny olona mba hanarahan’izy ireo ahy, na hikambanany amin’ny fiangonako, na hanombohana fiombonana iray sy rafi-pandaminana. Tsy nanao an’izany mihitsy aho ary tsy hanao an’izany ankehitriny. Tsy manana faniriana amin’izany zavatra izany aho, fa izaho kosa dia manana faniriana iray amin’ireo zavatr’Andriamanitra sy ny olona, ary raha afaka manatanteraka zavatra anankiray fotsiny aho dia ho afa-po aho. Izany zavatra anankiray izany dia ny hahita fifandraisana ara-panahy marina voapetraka eo amin’Andriamanitra sy ny olona, amin’izay ny olona dia lasa olom-baovao ao amin’i Kristy, feno ny Fanahiny ary miaina araka ny Teniny. Hanasa aho, hiangavy ary hananatra ny rehetra handre ny Feony amin’izao fotoana izao, ka hanolotra ny fiainanareo manontolo ho Azy, mitovy amin’izay itokiako ato am-poko fa nanolorako Azy ny amiko manontolo. Andriamanitra hitahy anareo, ary enga anie ny Fihaviany hampifaly ny fonareo.

Rev. William Marrion Branham

 

 

 

Ho an’ny fahalalana fanampiny mikasika ny asam-panompoan’ny Revera William Marrion Branham sy ny hahazoana an’ireo toriteniny,
dia iangaviana hifandray amin’ny:

THEMESSAGE.COM

P.O. Box 950
Jeffersonville, IN 47131, USA
812-256-1177