Ny Andry Afo



Rahalahy Branham dia mamaritra matetika ny Andry Afo izay nanamarina ny asam-panompoany. Nanatrika teo Izany tamin’ny fahaterahany, hitan’ireo an’arivony teo amoron’ny Renirano Ohio, ary toy ny hoe nanaraka azy na taiza na taiza nalehany. Tamin’ny 1950 no nanomezan’ny Tompo ny mpino sy ny tsy mpino ho toy ny porofo tsy diso fa io Andry Afo io no niaraka tamin’ny mpaminany.

Voasarona ilay alina tao amin’ny tsi-fifanarahana tao amin’ny Sam Houston Coliseum. Nitarika fifohazam-panasitranana iray Rahalahy Branham izay nahafaoka an’ilay tany. Ireo fitahian’ny Tompo Jesosy dia niraraka tahaka ny orana teo amin’ireo tanimbary ara-panahy. Saingy ireo famantarana sy fahagagana kosa dia tsy tonga tsy miaraka amin’ny fitsikerana. Tahaka ny isan’andro, manangana mpifanandrina anankiray ny fahavalo. Nihaona tao Houston Texas ireo hery anankiroa, ary ilay Anjelin’ny Tompo Izy tenany no nidina niady an’ilay ady.

An’arivony no efa tonga teo mba ho vavolombelon’ireo fahagagana tsy voaisa izay nanaraka an’ity lehilahin’Andriamanitra ity. Ny andro voalohany, dia vondrona iray an’ireo mpitoriteny tao an-toerana no nihaika ny mpaminany ho eo amin’ny adi-hevitra momba ny fanasitranana avy amin’Andriamanitra, saingy ilay fihaikana dia nanomboka teo amin’ilay namana tranainy mahatoky an’ny mpaminany, Revera F.F. Bosworth. Mpisalasala maro no narovan’ny mpitoriteny Batista iray sady mpilaza tsikera ny amin’ny fanasitranana avy amin’Andriamanitra. Ny fisian’ilay adi-hevitra dia nivoaka tao amin’ireo gazety, izay namoaka haingana an’ireo lohateny hoe, “Ny Ady Hevitra Teolojika Dia Hanomboka Amin’Ny 7 hariva Androany Ao Amin’Ny Sam Houston Coliseum.”

Ilay mpisalasala dia nanakarama mpaka sary matihanina iray, Ted Kipperman avy ao amin’ny Douglas Studios, mba hanao an-tsoratra an’ilay adi-hevitra. Io hariva io, ireo sary ireo dia nalaina niaraka tamin-dRahalahy Bosworth nitsangana am-pahamaotinana raha naka sary tamin’ny fihetsika mandrahona ilay mpisalasala; indray mandeha dia niaraka tamin’ny fanondrony nanosika ny tarehin’ilay lehilahy antitra manetry tena.

Rehefa nanomboka ilay adi-hevitra, dia noporofoin’ny Revera Bosworth haingana ny fahamarinan’ny fanasitranana avy amin’Andriamanitra niaraka tamin’ny porofo ara-tSoratra ary avy eo, tsy nametraka fanontaniana, fa nangataka tamin’ireo rehetra izay sitrana tamin’ny aretiny mba hitsangana. An’arivony no nitsangana tamin’ny tongony. Taorian’ny nandraisan’ireo izay sitrana ny toerany, dia nanontany izy raha ireo rehetra izay sitrana tamin’ny alàlan’ny fanasitranana avy amin’Andriamanitra izay mpikambana ao amin’ny toerana tsara an’io lehilahin’anaram-piangonana io no hitsangana. Mambram-piangonana telonjato no nitsangana mba hampiseho tamim-pireharehana ny famindram-po izay nasehon’ny Tompo Jesosy azy ireo.

Nivoaka avy teo amin’ilay mpisalasala ny fihaikana. “Avelao handroso izany mpanasitrana avy amin’Andriamanitra izany. Avelao izy hanao.” Nataon-dRahalahy Bosworth mazava tsara fa Jesosy irery ihany no Mpanasitrana avy amin’Andriamanitra, fa nitohy ny tsi-fahafaliana avy tany amin’ilay mpisalasala. Farany, dia nanasa an-dRahalahy Branham ho eny amin’ny lampihazo Rahalahy Bosworth. Nanaiky ny fanasana izy teo afovoan’ireo hiakam-panohanana.

Ilay mpaminany, feno ny Fanahy Masina, no nanome an’izao valiny manaraka izao:

Tsy afaka manasitrana na iza na iza aho. Izao no ho lazaiko. Fony aho mbola zazakely teraka tany amin’ny Fanjakan’i Kentucky, araka an’ilay reny malalako manokana, ary izany dia voamarina nandritry ny fiainako, dia nisy Hazavana iray niditra tao amin’ny efitr’ilay tranohazo tranainy kely tany, izay nisy azy, tsy nisy rihana tao anatiny, tsy nanana varavarankely iray akory aza, zavatra tranainy kely anankiray fotsiny no nataon’izy ireo varavarankely iray tany, tahaka ny varavarana iray, ary natosik’izy ireo izany teo amin’ny dimy maraina teo, ary io Hazavana io no nihodinkodina tao rehefa nisandratr’andro tamin’izany. Hatramin’io fotoana io, dia niaraka tamiko foana Izany. Izany no Anjelin’Andriamanitra iray. Izy no nihaona tamiko nivantana taona vitsy lasa izay. Nandritry ny fiainako, dia Izy no nilaza tamiko an’ireo zavatra izay nitranga, ary izaho nilaza azy ireny arak’izay Nolazainy tamiko fotsiny. Ary mihaika ny olona rehetra any amin’ny toerana rehetra aho, mba handeha any amin’ny tanàna izay nitazaina ahy, na any amin’ny toeran-kafa, fa ny fanambarana izay efa natao tamin’ny Anaran’ny Tompo, dia tonga tanteraka araka ny fomba izay nilazana azy fa hahatongavany.

Rehefa avy nilaza an’ireo teny ireo izy, dia nilatsaka teo amin’ny lampihazo ny Fanahy Masina, ary nanaitra an’ilay mpaka sary hanapiaka sary iray. Niala ny lampihazo Rahalahy Branham niaraka tamin’ny fanambarana tsotra, kanefa ara-paminaniana hoe: “Andriamanitra no hanamarina. Tsy hiteny intsony aho.”

Nandeha niasa haingana ilay mpiara-miasa amin’Atoa. Kipperman mba hanasa an’ireo sary ho an’ny vaovaon’ny ampitso maraina. Nahamarika zavatra hafahafa izy raha namoaka an’ilay sary voalohany avy tao amin’ilay rano fanasana sary. Ilay izy, tahaka an’ireo sary dimy nanaraka, dia fotsy. Norombahany ny fony ary lavo nankany aloha izy rehefa nisintona an’ilay printy farany avy tao amin’ilay rano. Teo, teo amin’ilay sary farany, no nisy an’ilay Andry Afo tao amin’ny endrika hita maso iray nijanona teo ambonin’ny lohan’ny mpaminanin’Andriamanitra, William Marrion Branham.

Ireo zanak’Isiraely no vavolombelon’ilay Andry Afo izay nitarika an’i Mosesy, ary ny olon’ity andro moderina ity no vavolombelon’io Andry Afo io ihany izay nitarika mpaminany iray hafa.

Niverina haingana ilay mpaka sary nankany amin’i George J. Lacy, Mpandinika Matihanina an’ireo Antontan-taratasy Mampisalasala ho an’ny U.S. F.B.I., izay nanamarina an’ilay sary tamin’ny heviny ara-manam-pahaizana. Ny taratasy ofisialy novokarin’Atoa. Lacy dia ao amin’ny pejy manaraka.

Lava izany manoloana an’ireo ordinatera na fakan-tsary arifomba, ary tsy ho voazava amin’ny fomba rehetra hain’ny siansa, afa-tsy ny hoe nisy Hazavana iray tokoa teo ambonin’ny lohan’i William Branham. Amin’izao andro izao io sary io dia azo jerena ao amin’ny United States Library Of Congress, amin’ny renivohitry ny firenena, Washington DC.