Ny Fiandohana



“Rehefa teraka aho tao amin’ilay trano kely Kentucky tany, dia niditra teo amin’ny varavarankely ilay Anjelin’ny Tompo ary nitsangana teo. Nisy Andry Afo iray teo.”

Vao avy nanomboka nandoaka ny aizin’ny lanitry ny Aprily mangatsiatsiaka ilay mangiran-dratsy. Ilay varavarankely tokana, vita amin’ny hazo no nisokatra niakatra mba hamela ny hazavan’ny maraina hiditra tao amin’ilay trano kely efitra tokana bitika. Menatratra iray no nitsangana teo amin’ilay varavarankely toy ny hoe taitaitra indrindra tamin’io maraina io ary nihira tamin’ny faran’ny avokavony. Tao anatin’ilay trano kely, dia Charles Branham tanora iray no nanatsofoka ny tànany tao anatin’ny akanjony fitondra miasa tena vaovao ary nijery ny vadiny 15 taona. “Hataontsika hoe William ny anarany,” hoy ilay ray.

Teo amin’ny varavarankely no niditra ny Hazavana ivelan’ny voajanahary iray. Nifindra nankao amin’ny efitra ilay Hazavana ary nanidintsidina teo ambonin’ny fandriana izay nisy an’ilay zazakely vao teraka. Io ilay Hazavana iray ihany izay nitondra an’ireo zanaka Hebreo nivoaka an’i Egypta. Izany ilay Hazavana iray ihany izay nifanena tamin’i Paoly teny amin’ny làlany ho any Damaskosy. Ary Izany no nitohy mba hitarika an’ity zazakely ity hiantso ny Ampakarin’i Kristy hivoaka amin’izao tontolo izao. Io Hazavana io dia tsy hafa fa ny Anjelin’ny Tompo, ilay Andry Afo; ary niseho indray mandeha tamin’ny olona indray Izany.

Ary tao anatiny tao, tao amin’io trano hazo kely io, tamin’io marainan’ny Aprily ny faha-6 io, dia nosokafan’ny mpampivelona ny varavarankely mba hahafahan’ny hazavana hitaratra tao hamela an’i Mama sy Papa hahita hoe tahaka ny inona aho. Avy eo dia Hazavana iray saiky mitovy amin’ny hahalehiben’ny ondana iray no tonga nihodinkodina avy teo amin’ilay varavarankely. Nihodina teo amin’izay nisy ahy izany, ary nidina teo amin’ny fandriana. Maro tamin’ireo olon’ny tendrombohitra no nitsangana teo. Nihiakiaka izy ireo.

Ilay toerana kely dia tao amin’ny havoana an’i Kentucky atsimo, akaikin’ilay tanàna kelin’i Burkesville. Ny daty dia ny 6 Aprily, 1909. Ilay zazakely dia voalohany amin’ireo ankizy folo izay naterak’i Charles sy Ella Branham.

Tsy ela akory dia namangy an’i William Branham tanora indray ilay Anjelin’ny Tompo.

Raha mbola zaza izy, dia niteny taminy voalohany ilay Anjely, nilaza fa hiaina ny fiainany any akaikin’ny tanàna iray antsoina hoe New Albany izy. Niditra tao an-trano izy ary niteny tamin’ny reniny izay zavatra vao avy nitranga. Tahaka ny reny rehetra, dia tsy nieritreritra betsaka an’ilay tantara izy ary nametraka azy teo amin’ny fandriana mba hampitony ny fahataitairany tanora. Roa taona taty aoriana, dia nifindra tao Jeffersonville Indiana ny fianakaviany, maily vitsivitsy fotsiny avy eo amin’ilay tanànan’i Indiana atsimo an’i New Albany.

Niteny tamin’ilay mpaminany tanora indray ilay Anjely taona vitsy taty aoriana. Andro manginan’ny Septambra iray izany niaraka tamin’ny masoandro nafana nitaratra teo amin’ireo ravin-kazo miloko an’ny lohataona. Nandringa ilay zazalahy raha nitondra an’ireo fitondrana rano teo amin’ilay làlan-kely. Fonon-katsaka iray no nifatotra teo amin’ilay rantsan-tongony maratra mba niarovana azy tamin’ny loto. Nipetraka izy mba hiala sasatra teo amin’ny aloky ny hazo midoroboka avobe iray. Nikoriana teo amin’ny masony ireo ranomasony raha nitomany izy ny amin’ny tsy fananany: Ireo sakaizany dia nampifaly ny tenany tao amin’ilay lavaka fanjonoana teo an-toerana, nefa izy voatana maka rano ho an’ny dadany. Tampoka teo, nanomboka nitambolombolona tao anatin’ilay hazo teo amboniny ny rivotra iray. Namafa ny masony izy ary nitsangana tamin’ny tongony. Nandre ny feon’ireo ravin-kazo nifofofofo tao amin’ilay rivotra izy…nefa tsy nisy rivotra. Niandrandra izy, ary antsasak’ilay hazo midoroboka, dia nisy zavatra nampitambolombolona an’ireo ravin-kazo maina.

Tampoka teo dia nisy Feo iray niteny, “Aza misotro na mifoka na mandoto ny vatanao na amin’inona na inona, hisy asa iray hataonao rehefa lehibe ianao.” Navelan’ilay zazalahy fito taona izay natahotra ireo fitondrany rano ary nihazakazaka nankany amin’ny reniny izy.

Tahaka ny mpaminany Samoela, dia niresaka tamin’ny ankizy iray indray Andriamanitra.

Herinandro vitsy taty aoriana, nilalao kanety niaraka tamin’ny rahalahy keliny izy. Nisy fihetseham-po hafahafa tonga taminy. Nijery nankany amin’ny Renirano Ohio izy ary nahita tetezana tsara tarehy iray. Lehilahy enina ambin’ny folo no maty latsaka teo amin’ilay tetezana miampita an’ilay renirano. Nahita ny fahitany voalohany ilay mpaminany tanora. Nilaza tamin’ny reniny izy, ary izy kosa nanoratra ny tantarany. Taona maro taty aoriana, lehilahy 16 no maty latsaka teo amin’ny tetezana Second Street tao Louisville, Kentucky dia niorina teo akaikin’ny Renirano Ohio.

Naneho taminy an’ireo fahitana ny ho avy ny Tompo. Ary tahaka an’ireo mpaminany talohany, dia tsy diso mihitsy ireo fahitana.