Ireto manaraka ireto dia ireo fanontaniana sasany izay voarainay mikasika ny asam-panompoanay. Raha, aorian’ny famakiana azy ireo, ka mbola manana fanontaniana mikasika ny ao anatin’ity website ity ianao, dia alefaso aminay ny email azafady ao amin’ny answers@themessage.com.

 

Inona no filazana ny finoanareo?

Hilaza izahay fa ny foto-pampianarana “ofisialy” an’ny fiangonanay dia ho ny Baiboly, manomboka amin’ny Genesisy hatrany amin’ny Apokalypsy. Ny filazana ny finoanay dia azo fintinina amin’ny hoe: Tsy misy fanekem-pinoana afa-tsy Kristy; tsy misy lalàna afa-tsy ny fitiavana; tsy misy boky afa-tsy ny Baiboly.

Efa Kristiana iray aho. Tena misy dikany amiko ve ny fampahafantarana eto amin’ity website ity?

Eny! Ireo Kristiana dia tokony hino ny Tenin’Andriamanitra rehetra; izany no antony handehananay any am-piangonana ka mamaky ny Baibolinay. Ahoana no hinoanao ny ampahan’ny Baiboly izay milaza fa Jesosy dia maty nohon’ny fahotanareo, nefa tsy handinika hoe ahoana no nanombohan’ny fahotana tao amin’ny Sahan’i Edena?

Izaho dia mino fa fahamarinana izay novakiako. Ahoana no ikambanako?

Ny Vatan’i Kristy dia tsy fombam-pivavahana iray na anaram-piangonana, ka ny fitakiana tokana ho mambra dia hoe mino ny Tompo Jesosy ianao. Aza manahy ny amin’ny fahazoanao fanondroana na ireo taratasy fenoina miaraka amin’ny fiangonam-panjakana. Minoa fotsiny ny Teny, dia ny Tompo no hikarakara ny sisa.

Fiangonana iray ve ianareo?

Tsy rafi-piangonana iray izahay, fa manampy fiangonana an’arivony sy isam-batan’olona an-tapitrisany manerana an’izao tontolo izao amin’ny alàlan’ny fanolorana ho azy ireo ny fitaovana ara-pivavahana. Ny asanay dia ny mampahery ny olona hanakaiky kokoa an’ny Tompo Jesosy amin’ny alàlan’ny fanaovana Ny Filazantsarany ho azon’ny olona rehetra eto ambonin’ny tany raisina.

Te-hatao batisa aho. Ankehitriny inona?

Raha tsy mahita olona iray hanao batisa anao amin’ny Anaran’i Jesosy Kristy Tompo ianao, dia alefaso aminay ny email miaraka amin’ny toerana misy anao dia halefanay aminao ny lisitr’ireo fiangonana eo amin’ny faritra misy anao izay afaka hanao batisa marina anao. Tsarovy, araka ny Baiboly dia tena zava-dehibe ny vita batisa amin’ny Anaran’i Jesosy, fa tsy amin’ny titran’ny Ray, Zanaka, ary Fanahy Masina.

Mihevitra ve ianareo fa very aho satria Katolika iray na mambran’ny anaram-piangonana hafa iray?

Hoy ny Tompo Jesosy hoe, “Aza mitsara, mba tsy ho tsaraina ianareo.” Tsy misy olona manana fahefana hitsara ny famonjena. Hoy koa Jesosy hoe, “Izay mino sy hatao batisa no hovonjena; fa izay tsy mino no hohelohina.” Koa tsy mampaninona raha Katolika iray ianao, Batista, na Pentekotista; raha mino an’i Jesosy Kristy Tompo ianao dia ho voavonjy amin’izay fotoana izay.

Inona ny Voice Of God Recordings (VGR)?

Voice Of God Recordings, Inc. dia asam-panompoana tsy ara-anaram-piangonana iray izay natokana ho fampandrosoana ny Filazantsaran’i Jesosy Kristy Tompo. Ny loharano voalohany an’ny fitaovana izay zarainay dia ireo toriteny voaraki-peo an’itompokolahy William Marrion Branham, mpaminanin’Andriamanitra iray sy evanjelista fantatra maneran-tany. Tafiditra ao amin’ny tanjonay ireo MP3 CDs, DVDs, horonan-tsary, logiciel, boky, magazina, trakta, sary, gazety, ary websites.

Iza moa William Branham, ary inona no hidirany amiko?

Revera Branham dia evanjelista fanta-daza iray manerana an’izao tontolo izao izay teo amin’ny saha misionera nanomboka teo amin’ny 1947 teo ka hatramin’ny 1965. Tsy hoe nitarika an-tapitrisany teo amin’i Kristy fotsiny izy, fa nanamarina ny asam-panompoany tamin’ny alàlan’ireo fahagagana tsy voaisa Andriamanitra. Ity link ity dia hanome anao fampidirana iray amin’ny asam-panompoany

Raha tena nitranga tokoa ireo fahagagana ireo, nahoana àry aho no tsy nandre ny aminy mihitsy?

Fanontaniana tsara iray izany, ary anankiray izay ho tianay hanontaniana fireham-piangonana rehetra an’izao andro izao. Nandefa mpaminany iray Andriamanitra! Nahoana no tsy miresaka ny amin’izany ny olona rehetra? Tokony hiresaka izy ireo.

Nahoana ianareo no manisy tsindrim-peo betsaka amin’i William Branham?

Nohon’ny antony mitovy tamin’ny nanisian’i Josoa tsindrim-peo mafy tamin’i Mosesy. Mosesy dia mpaminany iray izay nitondra Hafatra iray avy tamin’Andriamanitra. Nanao an’ilay zavatra iray ihany koa Rahalahy Branham.

Nahita vehivavy izay mikambana amin’ny asam-panompoanareo aho. Nahoana izy rehetra ireo no manana volo lava sy manao zipo lava?

Hoy i Paoly ao amin’ny I Korintiana 11:15 hoe: “Raha manana volo lava ny vehivavy, dia voninahitra ho azy izany: satria ny volony no nomena azy ho fisaronana.” Nilaza koa i Paoly fa ny vehivavy dia tokony “hampitafy ny tenany amin’ny fitafiana maotina…” ary hoy i Mosesy hoe, “Ny vehivavy dia tsy hanao fitafian-dehilahy.” Raha ny Baiboly no milaza an’izany, dia hino an’izany ny Kristiana marina amin’izay fotoana izay.

Nanao fikarohana iray aho ka nahita websites vitsivitsy izay voatokana hitsipaka an’ireo zavatra izay nolazain’ny Revera Branham. Ahoana no amalianareo azy ireny?

Hahita websites voatokana hitsipaka ny zavatra rehetra sy ny sisa ianao, ary tafiditra amin’izany ny Baiboly. Mangataka fotsiny izahay mba hitsaranao ny Hafatra izay atolotray anao amin’ny alàlan’ny Tenin’Andriamanitra, fa tsy amin’ny alàlan’ny fahaiza-miteny izay tena mora tokoa ao amin’ny tranokala. Tsarovy, tsy nisy olona naratsiana betsaka nohon’ny Tompo Jesosy. Raha manao zavatra iray marina ianao, amin’izay fotoana izay dia afaka manantena fitsikerana ianao.

Ny rafi-pandaminana rehetra dia mametraka ny tànany ao anatin’ny paosiko. Momba ny vola foana ilay izy.

Mariho fa tsy misy toerana ao amin’ity website ity hanaovana fanomezana. Amin’ny fotoana izay tsy maintsy hangatahanay vola, dia amin’izay fotoana izay no tonga eo amin’ny farany ity asam-panompoana ity. Tsy mikasika vola ity, izao dia mikasika ny fahazoana fanahy ho an’i Jesosy Kristy.

Te-hianatra betsaka kokoa aho; inona no dingana manaraka?

Hoy ny Baiboly hoe, “ny finoana dia avy amin’ny fandrenesana,” noho izany mampahery anao hihaino izahay. Manana toriteny voaraki-peo 1,200 mahery izahay vonona amin’ny Fampidirana maimaim-poana. Afaka mandefa fitaovana ho anao ao amin’ny mail izahay raha manana olana amin’ny fampidirana an’ireo dosie elektronika ianao.


www.branham.org dia mandefa isan’andro an’ireo vaovao sy fijoroana vavolombelona mifandraika amin’ny asam-panompoanay. Manasa anao izahay hitsidika anay isan’andro sy hamaky an’ireo tatitra avy amin’ny mpino manerana an’izao tontolo izao. Mety ho gaga ianao ny amin’ny hoe ahoana no anaovan’ny Tompo Jesosy an’ireo zava-dehibe maro amin’izao ankehitriny izao, ao amin’ity andro moderina ity.