Ny Teny Fikasana Ny Amin’ny Mpaminany Iray Amin’ny Andro Farany



Ireo tena teny farany voasoratra ao amin’ny Testamenta Taloha no nanome an’ity teny fikasana ity: “Indro, Izaho maniraka an’i Elia mpaminany aminareo mialohan’ny hiavian’ilay andro lehibe sy mahatahotra an’ny TOMPO: Ary izy hamerina ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka, ary ny fon’ny zanaka ho amin’ny rainy, fandrao avy Aho ka hamely ny tany amin’ny fandringanana.” (Mal 4:5-6)

Ilay andro lehibe sy mahatahotra an’ny Tompo dia mbola tokony ho avy, noho izany dia tokony hiandry am-pahatsorana an’ilay mpaminany Elia isika. Ao amin’ny Baiboly, dia tsy tonga tamin’ireo laharan’ny rafi-pandaminana ara-pivavahana ireo mpaminany. Tonga teo amin’ireo voafidy vitsy izy ireo. Eritrereto hoe raha tonga ilay mpaminanin’i Malakia 4, ka diso azy izy. Ahoana moa raha tahaka an’ireo mpaminany fahiny izy, ka olona eran’ny tànana fotsiny ihany no hanaiky azy? Raha tsy maintsy hiverina io mpaminany io amin’ny andro farany, ahoana no hahafantarantsika azy? Hita mazava ao amin’ny Soratra ny valiny. Hanana ny natioran’ny mpaminany iray izy. Hahafantatra an’ireo zava-miafin’ny fo izy. Hanao fahagagana izy. Hanandrana hanamaivana azy ireo rafi-pandaminana ara-pivavahana. Fa hisy nofidiana vitsy iray izay hanaiky azy ho ilay iraka nampanantenaina ho an’ilay andro.

Ahoana no hahafantarantsika rehefa miverina i Elia? Toetra famantarana inona no hasehony mba hahafahantsika manaiky azy?

Elia dia olon’ny an-efitra. Famantarana sy fahagagana lehibe no nanaraka ny asam-panompoany. Nitory teny nanohitra an’ireo zava-dratsy tamin’ny androny izy. Izy dia nitory manokana nanohitra ny fitondran-tena ratsin’ny Mpanjakavavy Jezebela. Rehefa nentina nankany an-Danitra tao amin’ny kalesy afo iray i Elia, dia nilatsaka tamin’i Elisa ny fanahiny. Famantarana sy fahagagana lehibe tamin’izany no nanamarika ny asam-panompoan’i Elisa, ary izy koa dia nitory teny nanohitra an’ireo otan’izao tontolo izao. Ireo mpaminany roa ireo dia samy nitsangana irery nanohitra an’ireo rafi-pandaminana ara-pivavahana an’izany andro izany. An-jatony taona taty aoriana, dia io fanahy iray io ihany no niverina teto an-tany tao amin’i Jaona Mpanao-batisa. Ilay mpaminanin’i Malakia no nilaza mialoha fa Elia dia hiverina mba hampahafantatra ny Tompo: “Indro, Izaho maniraka ny irako, ary izy no hanamboatra ny làlana eo alohako…” (Malakia 3:1). Jaona Mpanao batisa dia tonga taty aoriana satria izy no niantso fibebahana teo anivon’ireo zanak’Andriamanitra. Tahaka an’i Elia, nitory teny nanohitra an’ilay mpanjaka sy ireo rafi-pandaminana ara-pivavahana moderina izy. Ny Tompo Jesosy dia nanamarina fa Jaona Mpanao-batisa no ilay mpaminanin’i Malakia 3 ao amin’ny Bokin’i Matio (11:10): “Fa izy izany, ilay voasoratra hoe, Indro, Izaho maniraka ny irako eo anoloanao, izay hanamboatra ny làlanao eo alohanao.” Lioka 1:17 dia milaza fa ny fanahin’i Elia (Elias) no tsy maintsy tao amin’i Jaona Mpanao-batisa, “Ary izy handeha eo alohany amin’ny fanahy sy ny herin’i Elias, mba hamerina ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka.” Saingy mariho fa ny ampahany faharoa an’i Malakia 4 dia mbola tsy tanteraka: “…ary ny fon’ny zanaka ho amin’ny rainy, fandrao avy Aho ka hamely ny tany amin’ny fandringanana.” Io ampahan’ny Soratra io dia hiseho mialohan’ny Fihaviana Faharoa an’i Kristy.

Roa arivo taona taorian’i Jaona Mpanao-batisa, dia izany indray ny fotoana ho an’ilay fanahin’i Elia hiverina eto an-tany.

Tonga izany fotoana izany! Ao amin’izao taona izao, dia hitantsika ilay fanahin’i Elia fa miverina. Nanohitra an’ilay rafitra anaram-piangonana moderina izy. Nitsangana nanohitra an’ireo otan’izao tontolo izao izy. Naneho famantarana sy fahagagana tsy voaisa izy. Nitory ny Baiboly ara-bakiteny izy nanomboka tamin’ny Genesisy ka hatrany amin’ny Apokalypsy. Tonga ilay mpaminanin’i Malakia 4 araka ny nampanantenaina, ary nitondra Hafatra iray avy teo amin’ny Seza fiandrianan’Andriamanitra Tsitoha izy. Ny anaran’io mpaminany io dia William Marrion Branham. Isika dia miantso azy hoe “Rahalahy Branham.”

“William Branham, izay tiako sady inoako ho mpaminanin’Andriamanitra.”

Oral Roberts, evanjelista fanta-daza eran-tany sady mpanorina ny Oral Roberts University.

“William Branham dia tonga teo amin’ny làlantsika amin’ny maha-mpaminanin’Andriamanitra ary naneho tamintsika ao amin’ny taonjato faha-roapolo marina mihitsy an’ireo zavatra izay naseho antsika ao amin’ny Filazantsara…Namangy ny Olony Andriamanitra, satria mpaminany lehibe iray no nitsangana teo anivontsika.”

Dr. T.L. Osborn, evanjelista Pentekotista sady mpanoratra mahefa.

“Mialohan’ny hivavahany ho an’ny olona iray, dia manome ny antsipiriany marina mikasika an’ireo aretin’ilay olona izy, ary koa ireo antsipirian’ny fiainany - ireo toeram - ponenany, ireo asany, ireo fihetsiny-na dia ny fahazazany tany aoriana tany aza. Tsy mbola nanao fahadisoana na dia indray mandeha mihitsy aza i Branham tamin’ny tenin’ny fahalalana tamin’ny taona rehetra niarahako taminy. Izany dia mahafaoka, raha ny amiko, an’ireo ohatra an’arivony.”

Ern Baxter, evanjelista, mpikarakara an’ireo Asam-pitorian’i Branham nandritry ny fito taona, sady anankiray amin’ireo mpitarika voalohany ny British New Church Movement.

Tsy nisy hatramin’ny nandehanan’ny Tompo Jesosy Kristy teto an-tany lehilahy iray nampihetsi-po an’izao tontolo izao lalina tahaka an’izany. Hatramin’ny fanombohana iray manetry tena tao amin’ny trano kely efitra tokana tao amin’ny havoanan’i Kentucky, ka hatrany Amarillo Texas izay nakan’ny Tompo azy hody, ny fiainany dia voamarik’ireo zava-mitranga ivelan’ny voajanahary tsy an-kitsahatra. Tao amin’ny fitondran’ilay Anjelin’ny Tompo tamin’ny 1946, dia namokatra hery iray ny asam-panompoan-dRahalahy Branham izay namelona vanim-potoana iray an’ny fifohazam-panasitranana lehibe iray izay nandeha nanerana an’i Amerika sy eran’izao tontolo izao. Hatramin’izao andro izao, dia izy no fantatr’ireo mpanao tantara Kristiana ho “ray” sy “mpampandeha” ny fifohazam-panasitranan’ny 1950 izay nanova ny Fiangonana Pentekotista ary farany dia niteraka an’ilay hetsika Karismatika, izay saiky mitaona ny anaram-piangonana Protestanta rehetra amin’izao andro izao. Na izany aza, taty aoriana, dia tsy nino tanteraka ny fampianarany ireo anaram-piangonana ary nandà ny irany.

Na taiza na taiza nalehany, dia Andriamanitra no nanaporofo fa Rahalahy Branham no mpaminanin’ity taranaka ity. Tahaka an’i Joba, ny Tompo no niresaka taminy tao amin’ny tafio-drivotra iray. Tahaka an’i Mosesy, Andry Afo iray no hita nitarika azy. Tahaka an’i Mikaia, nokianin’ny mpitondra fivavahana izy. Tahaka an’i Elia, olon’ny an-efitra izy. Tahaka an’i Jeremia, nirahin’ny Anjely iray izy. Tahaka an’i Daniela, nahita an’ireo fahitana ny ho avy izy. Tahaka ny Tompo Jesosy, fantany ireo zava-miafin’ny fo. Ary tahaka an’i Paoly, nanasitrana ny marary izy.

Namangy ny Olony indray ny Tompo tamin’ny alàlan’ny mpaminany iray. Tao amin’ny fotoana maizina indrindra an’ny tantara, rehefa nilentika tao amin’ny lalina izay mbola tsy hita tany aloha mihitsy ny fitondran-tena ratsy ary fiadian’ny fandringanana marobe no manangasanga eny amin’ny faravodilanitra, dia lehilahy manetry tena iray no nirahina avy teo amin’ny fanatrehan’Andriamanitra mba hiantso taranaka an-dàlam-pahafatesana iray ho amin’ny fibebahana.

Ilay mpianatra malala Jaona dia nanoratra ny amin’ny Tompo Jesosy:

Ary misy zavatra maro hafa koa izay nataon’i Jesosy, ka, raha voasoratra tsirairay avokoa izy ireo, ataoko fa izao tontolo izao mihitsy aza dia tsy omby ny boky izay voasoratra. Amena. (Jaona 21:25).

Toy izany koa no mety ilazana ny mikasika an-dRahalahy Branham. Misy mihoatra ny 1,200 ireo toriteny vita horonam-peo miaraka amin’ireo tantara an’arivony momba ny fiainan’io lehilahy mahery fo io. Kanefa dia mbola mandre tsy an-kitsahatra isika an’ireo fanambarana vaovao ny amin’ny heriny eo amin’ny fiainan’ireo olona an-tapitrisany. Ity boky kely ity dia tsy hahafaoka mihitsy ny velaran’ilay hery izay nananan’io lehilahin’Andriamanitra io teto amin’izao tontolo izao.