Ireo Taonan’ny Hatanorana-Tohiny



Nanomboka niha-maizina tao amin’ilay efitry ny hopitaly, toy ny hoe tao anaty ala be ilay izy. Nandre ny rivotra nitsoka teo amin’ireo ravina aho, kanefa dia toy ny làlana lehibe any anaty ala izany. Efa nandre feon-drivotra mitsoka an’ireo ravina angamba ianareo, miha-manakaiky sy miha-manakaiky anareo. Nieritreritra aho hoe, “Eny, ity no fahafatesana tonga haka ahy.” Oh! tsy maintsy hihaona amin’Andriamanitra ny fanahiko, nanandrana nivavaka aho fa tsy vitako.

Tonga niha-nanakaiky ilay rivotra, niha-mafy ary niha-mafy. Nikorintsana indray mandeha ireo ravina, lasa aho.

Ilay izy tamin’izany dia toy ny hoe niverina ho zazalahy kely tsy nikiraro indray aho, nitsangana teo amin’ilay làlana kely teo ambanin’ilay hazo iray ihany. Nandre an’ilay Feo iray ihany aho izay nanao hoe, “Aza misotro mihitsy na mifoka.” Ary ireo ravina izay reko dia mbola mitovy tamin’izay nitsoka tao amin’ilay hazo tamin’izany andro izany.

Saingy tamin’io fotoana io dia hoy ilay Feo hoe, “Niantso anao Aho fa tsy nety nandeha ianao.” Niverina in-telo Izany.

Avy eo dia hoy aho hoe, “Tompo, raha Ianao izany, dia avelao aho hiverina eny amin’ny tany indray ary hitory ny Filazantsaranao aho manomboka eny an-tampon-trano sy ny kihon-dàlana. Ho lazaiko amin’ny olona rehetra ny mikasika an’izany!”

Rehefa lasa io fahitana io, dia hitako fa tsy nahatsapa ho tsara mihitsy aho. Mbola tao amin’ny tranobe foana ilay mpandidiko. Tonga izy ary nijery ahy ka taitra. Nijery izy toy ny hoe nieritreritra izy fa ho faty aho, avy eo dia hoy izy hoe, “Izaho dia olona tsy mpandeha any am-piangonana, lehibe loatra ny raharahako, saingy fantatro fa namangy an’ity zazalahy ity Andriamanitra.” Nahoana izy no nilaza an’izany, tsy fantatro. Tsy nisy anankiray afaka nilaza na inona na inona mikasika an’izany. Raha fantatro tamin’izany izay fantatro ankehitriny, dia ho nitsangana avy teo amin’io fandriana io aho niantsoantso hoe Deraina ny Anarany.

Afaka andro vitsy dia navela hiverina tany an-trano aho saingy mbola narary aho ary noterena hanao solomaso eo amin’ny masoko noho ny astigmatisma. Nihetsiketsika ny lohako rehefa nijery zavatra anankiray mandritry ny fotoana vitsy aho.

Nanomboka nitady sy hahita an’Andriamanitra aho. Nitety fiangonana aho, niezaka ny hahita toerana iray izay nisy an’ireo antso eny amin’ny alitara amin’ny fanao fahiny. Ilay ampahany nampalahelo dia tsy nahita aho na dia anankiray aza.

Nilaza aho fa raha ho Kristiana ihany aho, dia ho tena izy anankiray aho. Mpitoriteny iray izay nandre ahy nanao an’ilay fanamarihana no nilaza hoe, “Ankehitriny ry zazalahy Billy, dia mizotra mankany amin’ny fanatisma ianao.” Nolazaiko fa raha mba hanana fivavahana aho, dia tiako ny hahatsapa azy rehefa tonga izy, tahaka ny nataon’ireo mpianatra.

Oh deraina ny Anarany. Nahazo fivavahana aho taty aoriana ary mbola manana azy foana aho, ary noho ny Fanampiany, dia hihazona azy foana aho.

Indray alina dia lasa tena noana an’Andriamanitra aho sy fahatsapana anankiray tena izy ka nivoaka nankao amin’ny trano heva tranainy tao ambadiky ny trano ary nanandrana nivavaka. Tsy fantatro hoe ahoana no fivavaka tamin’izany ka dia nanomboka niresaka Taminy fotsiny aho tahaka ny hataon’ny olon-kafa rehetra. Tampoka teo dia tonga tao anatin’ilay trano heva ny Hazavana iray ary nanao endrika hazo fijaliana izany ary ny Feo avy teo amin’ilay hazo fijaliana dia niteny tamiko tamin’ny fiteny izay tsy azoko. Lasa ilay izy avy eo. Tsy nahateny aho. Rehefa nahatsiaro tena indray aho dia nivavaka hoe, “Tompo raha Ianao izany, dia miangavy aho tongava ka miresaha amiko indray.” Efa namaky Baiboly aho hatramin’ny niverenako tany an-trano avy tany amin’ny hopitaly ary novakiako ny tao amin’ny Jaona 4, “Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa zahao toetra izy ireny raha avy amin’Andriamanitra.”

Fantatro fa fanahy iray no niseho teo amiko ary raha nivavaka aho dia niseho indray izany. Avy eo ilay izy tamiko dia toy ny hoe nisy arivo livatra niainga avy tao amin’ny fanahiko. Nitsambikina aho ary nihazakazaka nankany an-trano ary ilay izy dia toy ny hoe nihazakazaka eny ambonin’ny rivotra aho.

Nanontany i Neny hoe, “Bill, inona no nanjò anao?” Namaly aho hoe, “Tsy fantatro fa azoko antoka fa mahatsapa ho tsara sy maivana aho.” Tsy afaka nijanona intsony tao an-trano aho. Tsy maintsy nivoaka aho ary nihazakazaka.

Fantatro tamin’izay fa raha tian’Andriamanitra hitory teny aho, dia hanasitrana ahy Izy. Noho izany dia nandeha tao amin’ny fiangonana iray izay nino ny fanosorana amin’ny diloilo aho ary sitrana teo no ho eo aho. Fantatro tamin’izay fa ireo mpianatra dia nanana zavatra anankiray izay tsy ananan’ny maro amin’ireo mpitoriteny amin’izao andro izao. Ireo mpianatra dia vita batisa tamin’ny Fanahy Masina ary noho izany dia afaka nanasitrana ny marary sy nanao fahagagana lehibe tamin’ny Anarany. Koa dia nanomboka nivavaka ho an’ny batisan’ny Fanahy Masina aho ary nahazo an’izany.

Indray andro teo amin’ny enim-bolana taty aoriana, dia nomen’Andriamanitra ahy ny fanirian’ny foko. Niresaka tamiko tao amin’ny Hazavana lehibe iray Izy, niteny tamiko mba handeha hitory teny sy hivavaka ho an’ny marary ary Izy no hanasitrana azy ireny tsy mampaninona izay aretina ananan’izy ireo. Nanomboka nitory teny aho ary nanao an’izay Noteneniny tamiko mba hatao. Oh ry sakaiza, tsy afaka manomboka milaza aminareo an’izay rehetra nitranga aho: Nahiratra ireo maso jamba. Namindra ny malemy. Sitrana ireo homamiadana, ary ireo karazana fahagagana rehetra dia natao.

Indray andro teo ambanin’ny Spring Street, Jeffersonville, Indiana, taorian’ny fifohazana roa herinandro, dia nanao batisa olona 130 aho. Andro nafana iray an’ny Aogositra izany ary nisy olona teo amin’ny 3,000 teo nanatrika. Saiky hanao batisa ny olona faha-17 aho no nandre tampoka an’ilay Feo tony, kely indray ary izao no voalaza, “Miandrandrà.” Tahaka ny varahina ny lanitra tamin’io andro mafana an’ny Aogositra io. Tsy nahazo orana izahay nandritry ny teo amin’ny telo herinandro teo. Nandre an’ilay Feo indray aho, ary tamin’izay fotoana izay indray koa no nilazany fanintelony hoe “Miandrandrà.”

Niandrandra aho ary kintana lehibe mamiratra iray no tonga avy tany an-danitra, izay efa hitako matetika taloha saingy tsy nolazaiko taminareo mihitsy izany. Matetika aho no milaza amin’ny olona mikasika ny fisehoany ary nihomehy fotsiny izy ireo ka nanao hoe, “Bill, eritreritrao fotsiny izany. Na angamba nanonofy ianao.” Fa deraina Andriamanitra, tamin’io fotoana io dia naneho ny Tenany ho hita maso tamin’ny rehetra Izy, satria tena tonga nanakaiky ahy loatra ilay izy ka tsy afaka niteny akory aza aho. Rehefa lasa ny segondra vitsy dia nikiakiaka aho ary olona maro no niandrandra ka nahita an’ilay kintana teo amboniko teo mihitsy. Torana ny sasany raha niantsoantso ny hafa ary ny sasany nandositra. Avy eo dia niverina nankany an-danitra ilay kintana ary ny toerana izay nialany dia teo amin’ny dimy ambin’ny folo dian-tongotra efa-joro teo ary io toerana io dia nitohy nihetsiketsika sy saiky ninaonaona na toy ny hoe nisy onjan-drano nikodiadia. Nisy rahona fotsy kely niforona teo amin’io ary noraisina tao amin’io rahona kely io ilay kintana.

Tahaka an’i Jaona Mpanao-batisa, dia nohamarinina tao amin’ny ranon’ny Batisa ny mpaminany.