Ireo Taonan’ny Hatanorana



Nandritry ny fiainany, dia naniry ny ho any an-efitra Rahalahy Branham. Teo amin’ny faha-18 taona, dia niala tao Indiana izy ho any amin’ireo tendrombohitra mideza any andrefana. Ny fijanonany tao Arizona dia tsy naharitra ela loatra talohan’ny nanerena azy hiverina.

Indray andro dia nanapa-kevitra aho fa nahita làlana hialàna amin’ilay antso. Nandeha nankany andrefana aho mba hiasa ao amin’ny toeram-piompiana iray. Ry sakaiza, Andriamanitra dia tena lehibe tany tahaka Azy tany amin’ny toerana rehetra. Enga anie ianareo hahazo tombontsoa amin’ny alàlan’ny fahatsapako. Rehefa miantso anareo Izy, dia valio Izy.

Indray marainan’ny Septambra tamin’ny taona 1927, dia niteny tamin’i neny aho fa handeha ho any amin’ny lasy iray any Tunnel Mill aho, izay eo amin’ny efatra ambin’ny folo maily avy eo Jeffersonville izay nipetrahanay tamin’izany fotoana izany. Efa nikasa ny hanao dia iray ho any Arizona aho niaraka tamin’ny sakaiza maromaro. Rehefa nandre ny amiko indray i Neny, dia efa tsy tao Tunnel Mill intsony aho fa tany Phoenix, Arizona, nandositra an’ilay Andriamanitry ny Fitiavana. Ilay fiainana tao amin’ny toeram-piompiana dia tena tsara tokoa nandritry ny fotoana fohy, saingy nitombo niha-ratsy vetivety ilay izy, tahaka ny fahafinaretana rehetra an’izao tontolo izao. Fa afaka milaza aho eto hoe, Deraina Andriamanitra, fa ny fiarahana amin’i Jesosy dia mitombo miha-mamy sy miha-mamy hatrany ary tsy mitombo miha-ratsy mihitsy. Jesosy dia manome fiadanana tanteraka sy fampiononana foana.

Matetika aho dia mandre an’ilay rivotra mitsoka eo amin’ireo hazo kesika lava. Ilay izy aza dia toy ny hoe nandre ny Feony mihitsy aho niantso tao amin’ilay ala, nanao hoe, “Ry Adama, aiza ianao?” Toy ny hoe tena akaiky mihitsy ireo kintana ka azonareo alaina amin’ny tànanareo izy ireny. Toy ny tena akaiky mihitsy Andriamanitra.

Ny zavatra anankiray fotsiny mikasika an’io tanàna io dia ireo làlana ao anaty tany efitra. Raha efa sendra afaka amin’ilay làlana fotsiny ianareo, dia ho very mora foana ianareo. Matetika mihitsy ireo mpitsangatsangana no mahita an’ireo voninkazo kelin’ny tany efitra ary miala amin’ilay làlambe mba haka azy ireny. Mirenireny ao anatin’ilay tany efitra ao izy ireo ka dia very ary indraindray dia matin’ny hetaheta. Toy izany koa ny fomban’ny Kristiana – Manana làlambe iray Andriamanitra. Miresaka an’izany Izy ao amin’i Isaia, ny toko faha-35. Izany dia antsoina hoe ny “Làlamben’ny Fahamasinana.” Matetika ireo fahafinaretana kelin’izao tontolo izao no manala anareo amin’ilay làlambe. Avy eo dia verinareo ny fahatsapana amin’Andriamanitra. Ao anatin’ny tany efitra rehefa very ianareo, dia miseho ao indraindray ireo rendrirendry. Ho an’ireo olona izay matin’ny hetaheta, dia ho renirano iray na farihy iray ilay rendrirendry. Matetika ny olona dia manenjika azy ireny ary miroboka ao anatin’izy ireny nefa dia hita fotsiny fa milomano mihitsy ao anatin’ny fasika mahamay izy ireo. Indraindray ny devoly dia mampiseho aminareo zavatra anankiray izay lazainy fa fotoana tsara iray. Rendrirendry iray fotsiny izany, izany dia zavatra iray tsy tena misy. Raha mihaino ianareo dia hahita ny tenanareo fotsiny hanangona alahelo ao amin’ny lohanareo ianareo. Aza mihaino azy, ry mpamaky malala. Minoa an’i Jesosy izay manome anareo ny rano velona ho an’ireo izay noana sy mangetaheta.

Indray andro dia naharay taratasy avy tany an-trano aho nilaza tamiko fa tena marary ny iray tamin’ireo rahalahiko. Edward izany, ilay anankiray izay manarakaraka ahy. Mazava ho azy fa nieritreritra aho fa tsy atahorana ilay izy, noho izany dia nino aho fa ho tena tsara izy. Saingy indray hariva andro vitsy taty aoriana rehefa avy tao an-tanàna aho ka nandalo teo amin’ny trano fisakafoana tao amin’ilay trano fiompiana, dia nahita taratasy iray aho teo ambonin’ny latabatra. Nalaiko ilay izy. Izao no vakiny, “Bill, mankanesa any amin’ny kijana avaratra. Tena zava-dehibe.” Rehefa avy namaky an’ilay naoty tamin’ny sakaiza iray aho dia nivoaka nankany amin’ilay kijana. Ny olona voalohany nihaona tamiko dia mpiandry ala antitra iray an’ny Lone Star izay niasa teo amin’ilay trano fiompiana. Ny anarany dia Durfy, fa izahay dia miantso azy hoe “Pop.” Nanana toetra nalahelo izy teo amin’ny endriny raha niteny izy hoe, “Tovolahy Billy, manana vaovao ratsy ho anao aho.” Tamin’izay fotoana izay dia tonga nanatona ilay lehiben’ny mpiasa. Nilaza tamiko izy ireo fa vao nisy telegrama iray tonga, nilaza tamiko ny fahafatesan’ny rahalahiko.

Ry sakaiza malala, tsy nahahetsika aho nandritry ny fotoana vitsy. Izany no fahafatesana voalohany tao amin’ny fianakavianay. Fa tiako ny milaza fa ny zavatra voalohany izay noeritreretiko dia ny hoe raha efa nivonona ny ho faty izy. Raha nihodinkodina teo aho ka nijery nanodidina an’ilay tanety mavo, dia ranomaso no nikoriana teo amin’ny tavako. Toy ny ahoana no nahatsiarovako hoe nitolona mafy toy ny ahoana izahay raha mbola zazalahy kely ary mafy toy ny ahoana izany ho anay.

Nandeha tany an-tsekoly izahay saiky zara raha nihinana. Ny rantsan-tongotra nivoaka ny kiraronay ary tsy maintsy nanao an’ireo akanjo ambony tranainy mipaingotra hatrany amin’ny tenda izahay satria tsy mba nanana lobaka izahay. Toy ny ahoana koa no nahatsiarovako indray andro an’i Neny naka poa-katsaka tao anatin’ny fitoerana kely iray mba ho sakafo. Tsy nihinana tahaka an’ireo ankizy sisa rehetra izahay. Tsy afaka nahazo sakafo tahaka ny nananan’izy ireo izahay. Misitrika any ambadik’ilay havoana foana izahay ary mihinana. Tsaroako ilay andro izay nanananay poa-katsaka, nihevitra izahay fa izany dia tena zavatra mahafaly. Noho izany mba hananana antoka fa hahazo ny anjarako amin’izany aho, dia nivoaka alohan’ny mitataovovonana aho ary naka eran’ny tànana tsara talohan’ny nahazoan’ny zandriko ny anjarany.

Noho izany dia nitsangana teo aho ary nijery an’ilay masoandro nanamaina an’ilay tanety dia nieritreritra an’ireo zavatra rehetra ireo aho ary nanontany tena raha mba nitondra azy any amin’ny toerana tsaratsara kokoa Andriamanitra. Avy eo dia niantso ahy indray Andriamanitra, saingy toy ny mahazatra, dia niezaka nanosika an’izany aho.

Nivonona ho any an-trano aho ho an’ny fandevenana. Rehefa ny Rev. McKinny avy ao amin’ny Port Fulton Church, lehilahy iray izay toy ny ray anankiray amiko, no nitory teny tamin’ny fandevenana azy dia nilaza fohy an’izao izy, “Mety misy sasany angamba eto tsy mahafantatra an’Andriamanitra, raha izany, dia ekeo Izy ankehitriny.” Oh toy ny ahoana no namihinako mafy ny sezako, nifampiraharaha indray Andriamanitra. Ry mpamaky malala, rehefa miantso Izy, dia valio Izy.

Tsy ho hadinoko mihitsy hoe toy ny ahoana no nitomanian’i Dada sy Neny antitra mahantra taorian’ny fandevenana. Tiako ny hiverina nankany Andrefana saingy niangavy ahy mafy i Neny mba hijanona ka farany dia nanaiky ny hijanona aho raha afaka mahita asa. Vetivety aho dia nahazo asa tao amin’ny Public Service Company an’i Indiana.

Teo amin’ny roa taona taty aoriana raha teo am-pitsapana refy tao amin’ny mpivarotra fandrefesana tao Gas Works tao New Albany aho, dia niady tamin’ny entona aho ary nijaly tamin’izany aho nandritry ny herinandro maro. Nandeha tany amin’ireo dokotera rehetra izay fantatro aho. Tsy nety nahita fihenana aho. Nijaly tamin’ny hirifirin’ny vavony aho, vokatr’ireo fiantraikan’ny entona. Nitombo niha-ratsy hatrany izany. Nentina teo amin’ireo manam-pahaizana manokana tao Louisville aho, Kentucky. Farany izy ireo dia nilaza fa ny kambon-tsinaiko ilay izy ary nolazainy fa tsy maintsy mahazo fandidiana iray aho. Tsy nety nino an’izany aho satria tsy mbola nisy naharary mihitsy tao amin’ny andilako. Ireo dokotera dia nilaza fa tsy misy intsony azon’izy ireo hatao amiko raha tsy mahazo fandidiana iray aho. Farany dia nanaiky ny hanaovana an’izany aho saingy nanantitra kosa ny mba hampiasan’izy ireo ny anestezia tsotra mba hahafahako mijery an’ilay fandidiana.

Oh, naniry aho mba hisy olona iray hitsangana teo akaikiko izay mahafantatra an’Andriamanitra. Nino ny vavaka aho fa tsy nahay nivavaka. Noho izany dia ilay mpitoriteny avy tao amin’ny First Baptist Church no niaraka tamiko tao amin’ilay efitra fandidiana.

Rehefa naka ahy avy teo amin’ny latabatra ho eny am-pandriana izy ireo, dia nahatsapa ny tenako niha-nalemy sy miha-nalemy hatrany aho. Ny foko dia zara raha nitempo. Tsapako ny fahafatesana teo amiko. Miha-fohy hatrany ny fofon’aiko. Fantatro fa tonga teo amin’ny faran’ny làlako aho. Oh ry sakaiza andraso mandra-pahatonganareo ho eo indray mandeha, amin’izay fotoana izay ianareo dia hieritreritra an’ireo zavatra be dia be izay nataonareo. Fantatro fa tsy nifoka mihitsy aho, nisotro na nanana fahazaran-dratsy saingy fantatro fa tsy mbola vonona ny hihaona tamin’Andriamanitra aho.

Ry sakaizako raha mambram-piangonana ara-pomba mangatsiaka fotsiny ianareo, dia hahafantatra rehefa tonga eo amin’ny farany fa tsy vonona ianareo. Koa raha izany ihany no fantatrareo mikasika an’Andriamanitro, dia mangataka aminareo eto mihitsy aho handohalika sy hangataka amin’i Jesosy mba hanome anareo an’ilay fahatsapan’ny fahateraham-baovao, tahaka ny Nolazainy tamin’i Nikodemosy ao amin’i Jaona toko faha-3, ary toy ny ahoana no hanenoan’ilay lakolosim-pifaliana. Deraina ny Anarany.