Jaona 14:12

Marina tokoa, marina tokoa, Lazaiko aminareo, izay mino Ahy, ireo asa Ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy; satria Aho mankany amin’ny Ray.


Marka 16:17-18

Ary izao famantarana izao no hanaraka an’ireo izay mino; amin’ny Anarako dia handroaka devoly izy ireo; hiteny amin’ny fiteny vaovao izy ireo;

Handray menarana izy ireo; ary raha misotro zava-mahafaty izy ireo, dia tsy hampaninona azy ireo izany; hametra-tanana amin’ny marary izy ireo, dia ho sitrana ireny.


Isika rehetra dia afaka mamadika an’ireo pejin’ny Baiboly ka mahita fa manao fahagagana Andriamanitra: Nanasaraka ny Ranomasina Mena i Mosesy, niantso mosary i Elia, nandeha teo ambonin’ny rano Jesosy, ary nanasitrana ny marary ireo mpianatra.

Misy an’arivony ireo zava-nitranga mahagaga voarakitra ao amin’ny Baiboly. Raha mitondra vavolombelona miaraka amin’ireo famantarana sy fahagagana, Andriamanitra, dia aiza àry ireo Fahagagany amin’izao andro izao? Afaka manasitrana homamiadana ve Izy tahaka ny Nanasitranany ny habokana ao amin’ny Baiboly? Ahoana ny amin’ny SIDA na ny malaria? Mbola afaka manao fahagagana ve Izy? Eny, mbola afaka manao fahagagana Andriamanitra ary izao famantarana izao no hanaraka an’ireo izay mino.

Ankehitriny, jereo ry sakaiza, eritrereto ny amin’ny Mpanjaka George an’i Angletera, rehefa sitrana tamin’ny aretin-kozatra marobe izy, rehefa avy nivavaka ho azy izahay. Eritrereto ny amin’i Florence Nightingale, (ny renibeny, ilay mpanorina ny Vokovokomena), izay teo amin’ny enim-polo livatra ny lanjany, nandry teo am-pahafatesana tany niaraka tamin’ny homamiadana iray tao amin’ny tsinay keliny, nandry teo am-pahafatesana tany. Voromailala kely iray no nanidina tao amin’ilay kirihitra tany ary tonga ny Fanahin’Andriamanitra ka nanao hoe, “HOY NY TOMPO HOE, ho velona izy.” Ary milanja dimy amby dimampolo amby zato livatra izy ao amin’ny fahasalamana tanteraka.

Eritrereto ny amin’ilay lehilahy Kongresista Upshaw nipetraka tanteraka teo ambonin’ny seza sy fandriana an-taonany maro, nandritry ny enina amby enimpolo taona. Ary tao anatin’ny fotoana iray dia nitsangana tamin’ny tongony, nihazakazaka eran’ny tranobe, nikasika ny rantsan-tongony, lasa ara-dalàna tanteraka sady sitrana.

Eritrereto fotsiny ireo olona an’alinalina izay sitrana. Nahoana isika no mipetraka eto mandra-pahafatintsika? Ndao isika hanao zavatra mikasika an’izany.

Manàna finoana raha marary sy mila zavatra ianareo. Ny Baiboly no milaza fa Jesosy Kristy no tsy miova omaly, sy anio, ary mandrakizay, noho izany raha afaka nanao fahagagana Izy roa arivo taona lasa izay, dia afaka manao an’ilay zavatra mitovy Izy amin’izao andro izao. Izy no nampanantena antsika fa sitrana isika, raha mino fotsiny isika.

Kongresista Upshaw

William D. Upshaw dia niasa valo taona tao amin’ny United States House of Representatives ary nilatsaka ho filoha tamin’ny 1932. Loza iray tao amin’ny fambolena no nampalemy azy raha mbola zazalahy iray izy, ary nandany 66 taona na tamin’ny tehina na tamin’ny seza misy kodiarana izy. Tamin’ny 1951, sitrana tanteraka izy ary namindra tsara tamin’ny fiainany sisa.

 
Florence Nightingale

Florence Nightingale, havana lavitry ny mpitsabo malaza iray, dia tratry ny homamiadana mafin’ny tsinay. Izy no nandefa an’ity sary ity ho fiangaviana farany ho an’ny vavaka talohan’ny nakan’ilay homamiadana farany ny ainy. Araka ny hitanareo, dia efa tena ho faty izy mialohan’ny nanasitranan’ny Tompo Jesosy azy tamin’ny 1950. Ny sary manaraka dia nalaina taorian’ny fahasitranany ary nalefa mba ho vavolombelona fa mbola manasitrana ny marary Andriamanitra.


Tris Griffin

Tris Griffin dia nandeha tany amin’ny biraon’ny dokotera ny voalohan’ny taona 2013 nohon’ny fanaintainan’ny lamosina izay natahorany fa mety ho fisehon’ny adiny indray tamin’ny homamiadana. MRI iray no naneho taminy ny “fahatatahan’ny lalan-drà” iray tao amin’ny fony, izay nitarika an’ireo dokotera hanao fanandramana lavidavitra kokoa sy nandahatra fotoana ho an’ny fandidiana maika ny ampitso. Ny tsipika eo amin’ilay fo eto amin’ny sary dia faharovitana iray miharihary izay nidika ho fahafatesana haingana sy saiky azo antoka raha vaky ilay izy.

Ny ampitso, rehefa avy nivavaka ho azy ireo mpino, dia nitondra CT scan iray ireo dokotera mba hanondro marina an’ilay toerana mialohan’ny fandidiana. Tamin’io fotoana io, ireo sary dia nampiseho fo salama tanteraka. Nikorontana tanteraka, ilay mpandidy niteny tamin-dRtoa. Griffin hoe, “Tsy haiko izay ho lazaina aminao. Nanana fahatatahan’ny lalan-dràn’ny fo ianao, saingy ankehitriny dia lasa avokoa ny porofo rehetra.” Nasehony azy ireo sary talohan’ny vavaka, sy ny taoriana. “Afaka mandeha ianao, sady izay koa, tsy misy na dia fambaran’ny homamiadana aza. Ao anatin’ny fahasalamana tanteraka ianao.”

 

Manondro an’ilay lalan-dràn’ny fo ilay zana-tsipikan’ny dokotera, izay faritra mainty, boribory eo afovoan’ny sary. Ilay tsipika mitsivalana dia ilay aneurisme, na “fahatatahana” an’ny làlan-dràn’ny fo, izay mitaky fandidiana eo no ho eo ary mahafaty raha vaky ilay izy. Scan fanindroany no natao ny ampitso. Nanjavona tanteraka ilay fahatatahana ary tsy niverina intsony.

Fanoroan-teny

Salamo 103:2-3

Misaora ny TOMPO, O ry fanahiko, ary aza adinoinao ny fitahiany rehetra:

Izay mamela ny helokao rehetra; izay manasitrana ny aretinao rehetra;

Isaia 53:5

Nefa izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika, notorotoroina izy noho ny helotsika: ny famaizan’ny fiadanantsika no natao teo aminy; ary tamin’ny dian-kapony no nahasitranana antsika.

Marka 16:17

Ary izao famantarana izao no hanaraka an’ireo izay mino; amin’ny Anarako dia handroaka devoly izy ireo; hiteny amin’ny fiteny vaovao izy ireo;

Lioka 17:6

Ary hoy ny Tompo hoe, Raha manana finoana toy ny voatsinampy ianareo, dia azonareo lazaina amin’io voaroihazo io hoe, Miongota ianao amin’ny fàkanao, ary maniria ianao any anatin’ny ranomasina; dia hanaiky anareo izy.

Jaona 14:12

Marina tokoa, marina tokoa, Lazaiko aminareo, izay mino Ahy, ireo asa Ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy; satria Aho mankany amin’ny Ray.

I Tesaloniana 1:5

Fa ny filazantsaranay dia tsy tonga teo aminareo tamin’ny teny ihany, fa tamin’ny hery koa, sy tamin’ny Fanahy Masina, ary tamin’ny fahatokiana be; araky ny efa fantatrareo hoe fitondrantenan’olona inona izahay teo anivonareo mikasika anareo.

Hebreo 2:3-4

Hataontsika ahoana no fandositra, raha tsy mitandrina an’izao famonjena lehibe izao isika; dia izay nampilazaina ny Tompo tamin’ny voalohany, ary nohamarinina tamintsika tamin’ny alàlan’ireo izay nandre azy;

Andriamanitra koa dia niara-nanambara tamin’izy ireo, tamin’ny famantarana sy fahagagana, sy zava-mahagaga samihafa, ary ny fanomezan’ny Fanahy Masina, araka ny sitrapony?

Hebreo 13:8

Jesosy Kristy no tsy miova omaly, sy anio, ary mandrakizay.

Jakoba 5:15

Fa ny vavaky ny finoana dia hamonjy ilay marary, ary ny Tompo hanangana azy; ary raha nanota izy, dia havela aminy izany.

I Petera 2:24

Izay nitondra ny fahotantsika tamin’ny tenany teo ambonin’ny hazo, mba hahatonga antsika, izay maty ny amin’ny ota, ho velona ny amin’ny fahamarinana: tamin’ny dian-kapony no nahasitranana antsika.