Salamo 96:13
Eo anatrehan’ny TOMPO: fa avy izy, avy izy hitsara ny tany: hitsara an’izao tontolo izao amin’ny fahamarinana izy, ary ny olona amin’ny fahamarinany.
Misy anaram-piangonana an’arivony samihafa eto amin’izao tontolo izao amin’izao andro izao. Ny fivavahana tsirairay dia manameloka an’ilay iray hafa, kanefa izy rehetra dia mampanantena famonjena amin’ny alàlan’ny anaram-piangonany. Ahoana no hahafantarantsika hoe iza no ho fidiana?
Raha mifidy ny fiangonana Katolika isika, dia manaiky ny fanelanelanan’ireo olo-masina, isika, izay tsy hafa fa fivavahana amin’ny sampy. Hoy ny Baiboly hoe, “Fa iray Andriamanitra, ary iray no mpanelanelana an’Andriamanitra sy ny olona, dia ilay lehilahy Kristy Jesosy;” (I Tim 2:5). Ny pretra dia antsoina hoe “Ray” izay noraran’i Jesosy ao amin’ny Mat 23:9: “Fa aza miantso olona ho rainareo ety an-tany: fa iray no Rainareo, dia any an-danitra.” Ireo Assemblées de Dieu dia miteny amintsika fa ny fitenenana amin’ny fiteny tsy fantatra no porofo voalohan’ny Fanahy Masina, nefa i Paoly dia nilaza hoe, “Na dia miteny amin’ny fitenin’olona tsy fantatra sy ny anjely aza aho, nefa tsy manam-pitiavana, dia lasa feom-barahina aho, na kimpantsona maneno.” (I Kor 13:1)
Saiky ny anaram-piangonana rehetra dia haingana ery miteny amintsika fa maro ireo zavatra ao amin’ny Baiboly no diso fandika, misy voatelina ao amin’ny fandikana, na tsy mihatra amin’izao andro ankehitriny izao. Noho izany, dia natao hino ny Baiboly ve isika sa ireo fampianaran’ireo anaram-piangonana? Inona no hampiasain’Andriamanitra ho faneva ho an’ny fitsarana?
Raha hanontany ny Katolika aho eto izao hariva izao hoe, “Amin’ny inona no heverinao fa hitsaran’Andriamanitra an’izao tontolo izao?” Dia hoy ilay Katolika hoe, “Amin’ny alàlan’ny Fiangonana Katolika.” Eny àry, ankehitriny dia Fiangonana Katolika inona? Ankehitriny izy ireo dia manana ny Romana, ny Grika Ortodoksa, sy ny maro amin’izy ireny. Ho Fiangonana Katolika iza ilay izy? Ny Loterana dia hanao hoe, “Amin’ny alàlanay,” amin’izay fotoana izay dia any ivelany ianareo Batista. Ary raha hiteny isika amin’izay hoe, “Amin’ny alàlan’ny Batista,” amin’izay fotoana izay dia any ivelany ianareo Pentekotista. Noho izany dia hisy fifanjevoana lehibe, tsy hisy hahafantatra izay hatao; koa Izy dia tsy nampanantena mihitsy ny hitsara an’izao tontolo izao amin’ny alàlan’ny fiangonana.
Nampanantena Izy ny hitsara an’izao tontolo izao amin’ny alàlan’i Kristy, ary Kristy no Teny. Ary ny Baiboly no hitsara an’izao tontolo izao, dia Jesosy Kristy tsy miova omaly, anio, ary mandrakizay.
Fanoroan-teny
Jaona 1:1
Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra.
Jaona 1:14
Ary ny Teny dia tonga nofo, ka nonina teo anivontsika (ary hitanay ny voninahiny, dia ny voninahitry ny lahitokana avy tamin’ny Ray,) feno fahasoavana sy fahamarinana.
Jaona 5:22
Fa ny Ray aza tsy mitsara olona, fa ny fitsarana rehetra dia nomeny ny Zanaka:
Jaona 12:48
Izay mandà ahy, ka tsy mandray ny teniko, dia manana izay mitsara azy: ny teny izay nolazaiko, dia izany ihany no hitsara azy amin’ny andro farany.
Efesiana 1:5-7
Rehefa notendreny rahateo isika ho amin’ny fananganana anaka amin’ny alàlan’i Jesosy Kristy izy tenany, araka izay fahafinaretana tsara an’ny sitrapony,
Mba ho fiderana ny voninahitry ny fahasoavany, tamin’ny nanaovany antsika ho ekena tao amin’ny malala.
Ao aminy no ananantsika fanavotana tamin’ny alàlan’ny ràny, dia ny famelàna ny fahotantsika, araka ny harenan’ny fahasoavany;
Efesiana 2:5-8
Fony maty tao amin’ny ota aza isika, dia novelominy niaraka tamin’i Kristy isika, (fahasoavana no namonjena antsika;)
Ary niara-nanangana antsika izy, ary nametraka antsika niaraka tao amin’ny fitoeran-danitra ao amin’i Kristy Jesosy:
Mba hasehony amin’ny andro ho avy ny harenan’ny fahasoavany tsy hita lany amin’ny fahamoram-panahiny amintsika amin’ny alàlan’i Kristy Jesosy.
Fa tamin’ny fahasoavana no namonjena anareo tamin’ny alàlan’ny finoana; ary izany dia tsy avy amin’ny tenanareo: izany dia fanomezan’Andriamanitra:
I Jaona 1:7
Fa raha mandeha amin’ny fahazavana isika, tahaka azy eo amin’ny hazavana, dia manana fiombonana isika, ary ny ràn’i Jesosy Kristy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra.
Apokalypsy 22:18-19
Fa izaho dia manambara amin’ny olona rehetra izay mandre ny faminanian’ity boky ity, Raha misy olona manampy amin’ireo zavatra ireo, dia Andriamanitra no hanampy aminy ireo loza izay voasoratra ao amin’ity boky ity:
Ary raha misy olona hanaisotra amin’ireo tenin’ity bokin’ny faminaniana ity, dia Andriamanitra no hanaisotra ny anjarany ao amin’ny bokin’ny fiainana, sy ny tanàna masina, ary ireo zavatra izay voasoratra ao amin’ity boky ity.