NY FAMANGIANA AVY AMIN'NY ANJELY IRAY



Nitohy ireo fahitana. Nolazain’ireo mpitondra fivavahana namany taminy fa tsy avy tamin’Andriamanitra ireo fahitany. Nolazaina taminy fa fanahy ratsy iray no nahazo azy. Nanahirana azy lalina izany. Lasa sarotra nentina be ilay enta-mavesatra, hany ka nandeha tany an-efitra izy mba hahita ny Sitrapon’Andriamanitra. Voatendry loatra izy ka dia nivoady ny tsy hiverina raha tsy misy valiny iray. Tany, tao amin’ny trano kely famandrihana tranainy iray, no nanomezan’ilay Anjelin’ny Tompo azy ny fanirahany. Teo anivon’ireo zavatra hafa, dia izao no nolazain’ilay Anjely taminy: “Raha mahazo ny olona hino anao ianao, ka ho tso-po rehefa mivavaka ianao, dia tsy hisy na inona na inona hahajoro eo anatrehan’ny vavakao, na dia ny homamiadana aza.”

Lasa avokoa ny fisalasalana rehetra. Nanana fanirahana iray izy ankehitriny ary nandroso tamim-pahasahiana. Nanomboka ny fifohazam-panasitranana.

An-hetsiny no nanatrika an’ireo asam-pitorian’i Branham. An’arivony no sitrana tamin’ny Anaran’ny Tompo Jesosy Kristy. Evanjelista hafa tahaka an’i Oral Roberts, T.L. Osborn, ary A.A. Allen no avy dia nanaraka an-dRahalahy Branham ary nanomboka an’ireo fifohazam-panasitranany manokana. Nandraraka an’ireo Fitahiany tsy toy ny tany aloha intsony ny Tompo. Nikasika ny Olony indray mandeha ilay tànan’i Jesosy Kristy manasitrana.

“Mitomany am-pifaliana matetika aho eo amin’ny fanomezam-pahasoavan’Andriamanitra vaovao ho an’ny fiangonana avy amin’ny rahalahy malalanay, William Branham, miaraka amin’ny fanomezam-pahasoavan’ny fanasitranany mahafinaritra. Izany dia asan’Andriamanitra ny manao mihoatra lavitra an’izay rehetra angatahintsika na heverintsika (Efe. 3:20), fa tsy mbola nahita na namaky zavatra mitovy amin’ny asam-panompoan’ny fanasitranana an’i William Branham aho”

Rev. F.F. Bosworth, evanjelista fanta-daza maneran-tany ary anankiray amin’ireo ray mpanorina ny anaram-piangonana Assemblée de Dieu ary koa ny hetsika Pentekotista moderina.

“Tao amin’ny ohatra iray, dia nandinika azy izahay raha niresaka tamin’ny olona iray nandry teo amin’ny fandriana iray izy. Tamin’ny voalohany dia tsy nisy famantarana ny amin’ny valiny tsara iray avy tamin’ilay lehilahy. Ny fanazavana tamin’izany dia avy tamin’ny vadiny izay nitsangana teo akaikiny, fa ilay lehilahy dia tsy hoe ho fatin’ny homamiadana fotsiny, fa marenina ary tsy afaka mandre an’izay nolazaina.

Avy eo Rahalahy Branham dia nilaza fa ilaina ny hahazoan’ilay lehilahy ny fandrenesana mba hahafahany mampahafantatra azy mikasika ny fanasitranana ny homamiadany. Nisy fotoan’ny vavaka iray teo. Tampoka teo dia afaka nandre ilay lehilahy! Ranomaso lehibe no nikodiadia teo amin’ny takolak’ilay lehilahy ka ny endriny nandritry ny hariva manontolo dia tena tsy taitra sy tsy nihetsika mihitsy. Nihaino tamim-pahalinana lalina izy rehefa nolazaina taminy ny fanafahana azy tamin’ny homamiadana.”

Rev. Gordon Lindsay, mpanoratra mahefa, mpitoriteny, ary mpanorina ny Christ For The Nations Institute.

“Hoy Rahalahy Branham hoe, ‘Sitrana ilay lehilahy Kongresista.’ Niantsambotra ny foko. Nivoaka aho ary nanaiky ny Tompo ho Mpanasitrana ahy. Nesoriko ireo tehiko…ary niendaka ny fanambanin’ny Lanitra!”

William D. Upshaw, lehilahy Kongresista US (1919-1927), mpilatsaka ho fidiana ho Filoha US tamin’ny 1932. Kilemaina hatramin’ny nahatapaka ny lamosiny tamin’izy mbola zaza. 84 taona izy rehefa sitrana tanteraka avy tamin’ny vavak’i Rahalahy Branham, rehefa avy kilemaina nanditry ny 66 taona. Tsy nila seza misy kodiarana intsony izy na tehina tamin’ny fiainany sisa rehetra.

“Izaho dia nitsilany tamin’ny lamosiko nandritry ny valo taona sy sivy volana niaraka tamin’ny T.B. ary nandao ahy ireo dokotera. Izaho dia zara raha nilanja 50 livatra ary toy ny hoe lasa avokoa ny fanantenana rehetra. Tamin’izany fotoana izany avy tao Jeffersonville, Indiana, no niditra tao amin’ny fahitana iray Rev. WM Branham fa nahita zanak’ondry iray voafandrika tao an-efitra izy ary niantsoantso hoe ‘Milltown,’ izay ipetrahako. Tsy mbola teto mihitsy Ranadahy Branham na nahafantatra olona avy eto. Niditra, nametra-tànana tamiko izy ary nivavaka, niantso teo amboniko ny Anaran’ny Tompo Jesosy malalantsika. Nisy zavatra toy ny hoe nandray ahy ary tampoka teo dia nitsangana aho nisaotra an’Andriamanitra noho ny Heriny manasitrana. Izaho ankehitriny no mpitendry piano ao amin’ny fiangonana Batista eto.”

Georgia Carter, Milltown Indiana, dia sitrana tamin’ny T.B. farany tamin’ny 1940 ary tsy nampijalian’izany aretina izany intsony na dia andro iray teo amin’ny fiainany aza. Izy no misolo tena an’ireo olona an’aliny izay sitrana tamin’ny alàlan’ny asam-panompoany sy ireo mbola sitrana amin’izao andro izao.