Mpaminany Iray?



Ao amin’ny Baiboly, Andriamanitra dia nitondra ny Hafany foana teo amin’ny olon’izao tontolo izao tamin’ny alàlan’ny mpaminanin’ilay taona. Niteny tamin’i Mosesy Izy tamin’ny alàlan’ny roimemy nirehitra iray ary nanome azy ny fanirahana hitarika ny Hebreo hivoaka avy ao Egypta. Ilay Andry Afo hita maso sy ireo famantarana hafa dia nomena mba hanamarina ny asam-panompoany. Jaona Mpanao-batisa dia nitondra Hafatra iray izay nampiomana an’izao tontolo izao ny amin’ny fihavian’ny Mesia. Raha mbola teo am-panaovana batisa an’ny Tompo Jesosy izy tao amin’ny Onin’i Jordana, dia Feo iray avy tany an-Danitra no nanamarina ny fanirahana an’i Jaona mba hampiditra an’ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra, “Ity no Zanako malalako, izay Sitrako.” Taona maro taty aoriana, dia re indray ilay Feon’ny Tompo niteny amin’ny mpaminany iray rehefa niresaka tamin’i Paoly Izy tamin’ny alàlan’ny Hazavana nanajamba iray, ary taty aoriana dia nanome azy ny fanirahana mba hametraka an’ireo fiangonana amin’ny lamina. Manerana ny Testamenta Vaovao sy Taloha, dia tsy mbola niteny tamin’ny Olony tamin’ny alàlan’ny rafitra anaram-piangonana iray mihitsy Andriamanitra na rafi-pandaminana ara-pivavahana iray. Niteny amin’ny olona foana Izy tamin’ny alàlan’ny lehilahy anankiray: ny Mpaminaniny. Ary Izy no nanamarina an’ireo mpaminany ireo tamin’ny alàlan’ireo famantarana ivelan’ny voajanahary.

Fa ahoana ny amin’izao andro izao? Mbola manambara ny Teniny amin’ny alàlan’ireo mpaminany ve Andriamanitra? Mbola misy ve ireo famantarana ivelan’ny voajanahary? Nandefa mpaminanin’ny andro moderina iray eto amin’izao tontolo izao ve Andriamanitra? Tena mazava ny valiny, “Eny!”

Fa ahoana no hahafantarantsika fa misy mpaminany iray mitsangana? Ho tahaka ny ahoana izy? Hanao ahoana ny fihetsiny? Inona no famantarana omeny antsika? Soratra inona no ho tanterahany?

Ireo mpaminany fahiny dia lehilahin’Andriamanitra mahery fo, ary tsy natahotra ny hitsangana hanohitra an’ireo rafi-pandaminana ara-pivavahana. Raha ny marina, izy ireo dia saiky kianin’ny mpitondra fivavahana foana. Nihaika an’ireo rafi-pandaminana ara-pivavahana tamin’ny androny i Elia, nanontany azy ireo raha ny fanatitr’izy ireo no hankatoavin’Andriamanitra, na ny azy. Niantsoantso izy ireo. Naminany izy ireo. Nitsambikina teo an-tampon’ilay alitara izy ireo. Nandidy ny tenany tamin’ny antsy izy ireo. Saingy tsy nihaino azy ireo Andriamanitra. Niandrandra tany amin’ny Lanitra i Elia ka nanao hoe, “Aoka ho fantatra amin’ity andro ity fa ianao no Andriamanitra ato amin’ny Isiraely, ary izaho no mpanomponao, ary nanao an’ireto zavatra rehetra ireto aho noho ny teninao.” Avy eo izy dia niantso afo avy tany an-Danitra mba handevona an’ilay fanatitra. Mikaia mpaminany dia nanohitra ny Mpanjakan’ny Isiraely, sy ilay antokon’ny mpisorona iray manontolo, rehefa nananatra an’i Zedekia Mpisoronabe izy nohon’ny naminaniany lainga. Namelaka azy teo amin’ny tarehiny ilay Mpisoronabe ary ilay Mpanjaka nanao azy tao am-ponja nohon’ny filazany ny fahamarinana. Na dia ny Tompo Jesosy aza dia tena nankahalain’ireo rafi-pandaminana ara-pivavahana tamin’ny Androny ka nohomboan’izy ireo Izy nifanila tamin’ireo olo-meloka ratsy indrindra. Raha mbola marina foana ny tantara, ny mpaminany iray dia hankahalain’ny rafitra ara-anaram-piangonana moderina, ary izy dia ho voapetaka anarana ho sekta iray, mpaminany sandoka, na ratsy. Fa Andriamanitra kosa no hanohana ny Mpanompony.

Raha nisy mpaminany iray ao amin’izao andro moderina izao, ahoana no haneken’ny Fiangonana Katolika azy? Ny Fiangonana Batista? Ny Fiangonana Loterana? Ny anaram-piangonana rehetra?

Ny Tompo Jesosy dia naniraka an’izay rehetra mino Azy: “Ary izao famantarana izao no hanaraka an’ireo izay mino; Handroaka devoly amin’ny anarako izy ireo; hiteny amin’ny fiteny vaovao izy ireo; Handray menarana izy ireo; ary raha hisotro zava-mahafaty izy ireo, dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tànana amin’ny marary izy ireo, dia ho sitrana ireny.” (Marka 16:17-18). Marina ve io Soratra io androany? Raha tsy marina izany, dia oviana no lany andro ireo Tenin’ny Tompo? Manerana ny Baiboly, dia afaka nanasitrana ny marary ireo mpaminany, nandroaka devoly, ary nanao fahagagana. Nametraka an’ilay menarana varahina teo anatrehan’ny vahoakan’ny Isiraely i Mosesy mba hanasitrana azy ireny tamin’ny kaikitr’ireo menarana mahafaty (Nomery 21:9). Namana, Syriana mahery iray, dia nanatona an’i Elisa mba ho sitranina amin’ny habokana (II Mpanjaka 5:9). Rehefa maty nianjera avy teo amin’ilay varavarankely ambony ny tovolahy iray, dia namihina azy ny apostoly Paoly ary namerina ny aina tao amin’ilay vatana efa maty (Asa 20:10). Manana an’ireo tahiry fotsiny isika ny amin’ireo 3½ taona an’ny fiainan’i Jesosy Tompontsika, fa nandritr’ireo taona vitsy ireo, dia nanasitrana ny marary tsy an-kitsahatra Izy. Lasa nahita ny jamba. Sitrana ireo boka. Nahazo ny fandrenesany ireo marenina. Namindra ny malemy. Ny karazan’aretina rehetra dia sitrana (Mat 4:23).

Andriamanitra koa dia nanamarina an’ireo mpaminaniny amin’ny fomba hafa ankoatry ny fanasitranana. Eny fa na dia ireo zava-miafin’ny fo ambenana indrindra aza dia natao ho fantatr’ireo lehilahin’Andriamanitra ireo. Nanana nofy iray nanahirana Nebokadnezara Mpanjaka, saingy tsy nety tsaroany ny mikasika an’ilay izy. Ilay Daniela mpaminany dia afaka nilaza tamin’ny mpanjaka an’ilay nofy sy ilay faminaniana izay nanaraka (Dan 2:28). Tsy nisy na inona na inona niafina tamin’i Solomona rehefa tonga teo anatrehany ny Mpanjakavavin’i Seba. Feno ny Fanahy loatra izy ka nilaza taminy an’ireo fanontanian’ny fony talohan’ny nanontaniany an’ireo (I Mpanjaka 10:3). Elisa dia nilaza tamin’ny Mpanjakan’ny Isiraely ny drafitra rehetra an’ilay Mpanjakan’i Syria, na dia ireo teny tsiambaratelo tao amin’ny efitra fandriany aza (II Mpanjaka 6:12).

Tamin’ny alàlan’ireo Fihetsiny manokana, dia nasehon’ny Tompo Jesosy matetika fa io Fanahin’ny famantarana io dia Fanahin’i Kristy. Fantany ilay natioran’i Natanaela rehefa nilaza Izy hoe, “Indro ny tena Isiraelita, tsy misy fitaka ao aminy!” Ary Jesosy nanohy niteny tamin’i Natanaela hoe taiza izy rehefa niteny taminy mikasika ny Mesia i Filipo (Jaona 1:48). Rehefa hitan’i Natanaela fa fantatr’i Jesosy ny fony, dia nanaiky Azy avy hatrany ho Kristy izy. Ny fotoana voalohany nahitan’i Jesosy an’i Petera, dia Nolazainy taminy ny anaran’ny rainy, Jona (Jaona 1:42). Nafoin’i Petera ny zavatra rehetra ary nanaraka an’i Jesosy izy nandritry ny androm-piainany sisa. Nihaona tamin’ilay vehivavy Samaritana teo amin’ny fantsakana Jesosy ka nilaza taminy ny fahotany taloha. Ireo teniny voalohany dia hoe, “Tompoko, hitako fa mpaminany ianao” (Jaona 4:19). Ireo olona telo rehetra ireo dia avy amin’ny antom-pivelomana samihafa, kanefa dia nanaiky an’i Jesosy avy hatrany izy ireo rehefa Nasehony ilay fanomezam-pahasoavan’ny famantarana.

Nanjavona ve izany fanomezam-pahasoavana izany rehefa voasoratra ny pejy faran’ny Baiboly? Raha voasoratra mazava ao amin’ny Baiboly ireo fahagagana ireo, dia aiza izy ireo amin’izao andro izao? Ny mpaminanin’ny andro moderina iray dia azo antoka fa ho voamarin’ireo fahagagana ireo.

Nanadino ny Olony ve Andriamanitra? Mbola afaka manasitrana ny marary ve Izy? Mbola miteny amintsika amin’ny alàlan’ny Mpaminaniny ve Izy? Tsy efa hitan’ny mpaminany rehetra mialoha ve izao andro izao?

Misy faminaniana izay mbola tokony ho tanteraka ve?