Jaona 5:28-29

Aza gaga amin’izany: fa avy ny fotoana, izay handrenesan’ny rehetra any am-pasana ny feony,
Ary hivoaka avy ao; ireo izay nanao ny tsara, dia ho amin’ny fitsanganan’ny fiainana; fa ireo izay nanao ny ratsy kosa, ho amin’ny fitsanganan’ny ozona.


Hisy ny andro anankiray izay ny tsirairay avy amintsika, na Kristiana na ny hafa, dia hahita tanteraka an’izay ao ankoatry ny lamban’efitry ny fotoana. Ny Baiboly dia mampanantena Fiainana Mandrakizay ho an’ny sasany, ary ho an’ny hafa kosa, dia mampanantena ozona izy. Ny olombelona rehetra nanerana ny tantara dia azo antoka fa nanontany ny tenany hoe, “Inona no hitranga amiko rehefa maty aho?”

Ela be talohan’ny mba nisian’ny Baiboly iray ho vakiana aza, dia nandinika ny natiora ny mpaminany Joba. Niresaka ny amin’ny fanantenan’ny hazo anankiray izy, hoe nahoana izy no kapaina sy maty, nefa amin’ny alàlan’ny fanamboloana ny rano, dia mitsiry indray ho amin’ny fiainana izy ary mamoaka an’ireo tsimo-kazo. Joba dia nahafantatra fa ny olona iray, tahaka an’ilay hazo, dia hitsangana indray ho amin’ny fiainana:

Raha maty ny olona, moa ho velona indray ve izy? mandritry ny androm-panompoako rehetra dia hiandry aho, mandra-pahatongan’ny fanovàna ahy.

Hiantso ianao, ary izaho hamaly anao: halahelo ny asan’ny tànanao ianao.

Fa ankehitriny manisa ny diako ianao: tsy handinika ny fahotako ve ianao? (Joba 14:14-16)

Mety tsy nanana Baiboly iray ho vakiana i Joba, saingy fantany kosa fa Andriamanitra dia hanangana azy avy ao am-pasana indray andro any rehefa hivoaka ilay Mpanavotra ny taranak’olombelona.

Oh enga anie ka ho voasoratra ny teniko! oh enga anie ho vita printy ao amin’ny boky izy ireny!

Enga anie ka ho voasoratra amin’ny penina vy izy ireny eo amin’ny vatolampy ho mandrakizay.

Fa fantatro fa velona ny mpanavotra ahy, ary hitsangana eo ambonin’ny tany izy any am-parany:

Ary rehefa levona ny hoditro izao simba izao, dia hahita an’Andriamanitra amin’ny nofoko aho: (Joba 19:23-26)

Niresaka ny amin’ny Tompo Jesosy sy ny fitsanganan’ny Olony ilay mpaminany. Tamin’ny alàlan’ny fanambarana no nahafantaran’i Joba fa na dia levona tanteraka aza ny vatantsika, dia Jesosy no hamerina ny nofontsika. Ary amin’ny masontsika manokana, dia hahita ny Fihaviany isika. Ny vahoakan’Andriamanitra rehetra dia maniry ny hahita an’izany andro be voninahitra izany.

Kanefa, azo antoka tahaka ny maha-misy an’Andriamanitra mihitsy, dia misy ihany koa ny devoly iray; ary azo antoka tahaka ny fisian’ny Lanitra mihitsy, dia misy koa ny helo iray. Avo loatra noho izay azontsika eritreretina ireo tsato-kazo. Ny Apostoly Paoly dia nilaza fa, “Tsy mbola hitan’ny maso, tsy mbola ren’ny sofina, na niditra tao am-pon’ny olona, ireo zavatra izay efa namboarin’Andriamanitra ho an’ireo izay tia azy.” (I Kor. 2:9)

Ireo fisainantsika dia tsy afaka hahatakatra hoe ho lehibe toy ny ahoana ny Lanitra, sady tsy afaka hahatakatra ny horohoron’ny helo izy ireny. Jesosy no niteny tamintsika fa tena ratsy ny helo ka tsaratsara kokoa aza raha tapahina ny rantsana iray amin’ny vatantsika toy izay ho sahy handeha any amin’io toerana mahatsiravina io.

Ary raha ny tànanao no manafintohina anao, dia tapaho izy: tsaratsara kokoa ho anao ny miditra kilemaina any amin’ny fiainana, noho ny manana tànana roa nefa handeha ho any amin’ny helo, ao amin’ny afo izay tsy azo vonoina mihitsy: (Marka 9:43)

Noho izany dia iza no handeha any An-danitra? Ary iza no handeha any amin’ny helo? Fisainana mampalahelo ity, saingy Jesosy no nilaza fa ny ankabiazan’ny olona dia tsy handray ny valisoa izay Tiany homena: Midira amin’ny vavahady èty ianareo: fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny làlana, izay mankany amin’ny faharavana, ary maro no hiditra any: Satria èty ny vavahady, ary tery ny làlana, izay mankany amin’ny fiainana, ka vitsy no hahita azy. (Mat 7:13-14)

Jesosy koa dia nilaza hoe, “Tsy izay rehetra manao amiko hoe, Tompo, Tompo, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra; fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra. Maro no hilaza amiko amin’izany andro izany hoe, Tompo, Tompo, tsy efa naminany tamin’ny anaranao ve izahay? ary tamin’ny anaranao no nandroahanay devoly? ary tamin’ny anaranao no nanaovanay asa mahagaga maro? Ary dia hambarako amin’izy ireo hoe, tsy mba fantatro akory ianareo hatrizay: mialà amiko, ianareo mpanao meloka.” (Mat 7:21-23)

Satria ny olona iray izay milaza fotsiny ny Kristianisma dia tsy midika fa voavonjy izy. Noho izany, izao no fanontaniana miharihary ao amin’ny fisainantsika: Ahoana no hahazoako ny Fiainana Mandrakizay? Nanome antsika valiny iray tena tsotra Jesosy: Marina tokoa, marina tokoa, lazaiko aminareo, Izay mandre ny teniko, ka mino izay naniraka ahy, no manana fiainana mandrakizay, ary tsy ho tonga amin’ny fanamelohana; fa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana. (Jaona 5:24)

Mampalahelo anefa, fa tena olona vitsy eto amin’izao tontolo izao amin’izao andro izao no manaiky haka fotoana avy amin’ireo androny tery mba handrenesana ny Tenin’Andriamanitra. Ary vitsy kokoa aza ireo izay hino ny Teny vantany vao mandre an’izany izy ireo.

Ireo fiangonana dia miteny amintsika mba ho olona tsara anankiray, hisaina tsara foana, aza mandainga, mamitaka, na mangalatra, dia handeha ho any An-danitra isika. Tsy azon’izy ireo fa ny helo dia ho feno an’ireo olona izay toy ny hoe miaina amin’ny fiainana tsara. Ny zava-misy dia tsy ho any An-danitra isika noho ireo asa soa antsika na satria mambran’ny fiangonana iray isika. Làlana tokana ihany ny mankany amin’ny Fiainana Mandrakizay, ary izany dia amin’ny alàlan’i Jesosy Kristy. Izy no nampianatra antsika fa tsy maintsy MINO ny Teniny isika, dia ny Baiboly. Raha tsy izany, dia ahoana no haha-voavonjy antsika?

Rehefa tonga aminareo ilay andron’ny fitsarana, dia handre ve ianareo hoe, “Avia, ianareo izay notahian’ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voaomana ho anareo hatramin’ny fanorenana an’izao tontolo izao,” (Mat 25:34) sa handre ianareo hoe, “Mialà amiko, ianareo izay voaozona, ho any amin’ny afo mandrakizay, izay voaomana ho an’ny devoly sy ny anjeliny”? (Mat 25:41)

Satria mamaky an’ireo teny ireo ny masonareo, dia manana safidy anankiray ho raisina ianareo: Hisafidy ny hino ny Tenin’Andriamanitra ve ianareo?

Aiza no handanianareo ny mandrakizay?







Fanoroan-teny

Joba 14:12-16

Ary toy izany koa ny olona mandry izy, ary tsy hiarina: mandra-pahatongan’ny lanitra tsy hisy intsony, dia tsy hifoha intsony izy, na hitsangana amin’ny torimasony.

O enga anie ianao hanafina ahy ao am-pasana, ka hanafina ahy, mandra-pahafaka ny fahatezeranao, ka ianao no hanendry fetrandro ho ahy, ka hahatsiaro ahy!

Raha maty ny olona, moa ho velona indray ve izy? mandritry ny androm-panompoako rehetra dia hiandry aho, mandra-pahatongan’ny fanovàna ahy.

Hiantso ianao, ary izaho hamaly anao: halahelo ny asan’ny tànanao ianao.

Fa ankehitriny dia manisa ny diako ianao: tsy handinika ny fahotako ve ianao?

Joba 19:23-26

Oh enga anie ka ho voasoratra ny teniko! oh enga anie ho vita printy ao amin’ny boky izy ireny!

Enga anie ka ho voasoratra amin’ny penina vy izy ireny eo amin’ny vatolampy ho mandrakizay!

Fa fantatro fa velona ny mpanavotra ahy, ary hitsangana eo ambonin’ny tany izy any am-parany:

Ary rehefa levona ny hoditro izao simba izao, dia hahita an’Andriamanitra amin’ny nofoko aho:

Matio 7:21-23

Tsy izay rehetra manao amiko hoe, Tompo, Tompo, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra; fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra.

Maro no hilaza amiko amin’izany andro izany hoe, Tompo, Tompo, tsy efa naminany tamin’ny anaranao ve izahay? ary tamin’ny anaranao no nandroahanay devoly? ary tamin’ny anaranao no nanaovanay asa mahagaga maro?

Ary dia hambarako amin’izy ireo hoe, Tsy mba fantatro akory ianareo hatrizay: mialà amiko, ianareo mpanao meloka.

Matio 22:14

Fa maro no hantsoina, fa vitsy no ho fidiana.

Jaona 3:16-17

Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino azy, fa hanana fiainana mandrakizay.

Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanany ho amin’izao tontolo izao mba hitsara izao tontolo izao; fa ny hahatonga an’izao tontolo izao ho voavonjy amin’ny alàlany.

Jaona 5:24

Marina tokoa, marina tokoa, lazaiko aminareo, Izay mandre ny teniko, ka mino izay naniraka ahy, no manana ny fiainana mandrakizay, ary tsy ho tonga amin’ny fanamelohana; fa efa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana.

I Korintiana 2:9

Fa araka ny voasoratra hoe, Tsy mbola hitan’ny maso, tsy mbola ren’ny sofina, na niditra tao am-pon’ny olona, ireo zavatra izay efa namboarin’Andriamanitra ho an’ ireo izay tia azy.

I Tesaloniana 4:13-18

Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin’ireo izay efa nodimandry, mba tsy halahelovanareo, tahaka ny sasany izay tsy manana fanantenana.

Fa raha inoantsika fa efa maty Jesosy sady efa nitsangana indray, dia toy izany koa no hitondran’Andriamanitra an’ireo efa nodimandry tao amin’i Jesosy hiaraka aminy.

Fa izao no lazainay aminareo amin’ny tenin’ny Tompo, fa isika izay velona ka mitoetra eo amin’ny andron’ny Tompo dia tsy mba hialoha an’ireo izay efa nodimandry.

Fa ny Tompo izy tenany no hidina avy any an-danitra miaraka amin’ny baiko, miaraka amin’ny feon’ny arkanjely, ary miaraka amin’ny trompetran’Andriamanitra: ary izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana aloha:

Avy eo dia isika izay velona ka mitoetra no hakarina hiaraka amin’ireo eny amin’ny rahona, mba hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka: dia ho any amin’ny Tompo mandrakariva isika.

Koa mifampionona ianareo amin’izany teny izany.