Malakia 4:1

Fa, indro, avy ny andro, izay mandoro toy ny fatana…


Malakia 4:5-6

Indro, Izaho maniraka an’i Elia mpaminany ho aminareo mialohan’ny fihavian’ilay andro lehibe sady mahatahotra an’ny TOMPO:
Ary izy hamerina ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka, ary ny fon’ny zanaka ho amin’ny rainy, fandrao avy Aho ka hamely ny tany amin’ny fandringanana.


Ny Boky faran’ny Testamenta Taloha dia mampanantena ny fandravana an’izao tontolo izao. Fa mialohan’ny farany, dia nolazaina mialoha fa hiverina i Elia mpaminany ary hampiditra ny Mesia. Ny sasany dia milaza fa i Jaona Mpanao-batisa no nahatanteraka an’io faminaniana io.

Roa arivo taona lasa izay, dia niandry ny Mesia ho avy ireo Jiosy. Fantatr’izy ireo fa i Malakia dia naminany fa lehilahy iray miaraka amin’ny fanahin’i Elia no hampiditra ny Mesia ho azy ireo. Saingy rehefa tonga i Jaona Mpanao-batisa, tsy izy ilay Elia nandrasan’izy ireo. Rehefa nanontany an’i Jesosy izy ireo ny amin’ny hoe nahoana no tsy maintsy tonga aloha i Elia, dia Nolazainy mazava tamin’izy ireo fa i Jaona no fahatanterahan’io faminaniana io: “Ary raha mety mandray azy ianareo, dia izy no Elias, izay ho avy.” (Elias dia teny Grika avy amin’ny anarana Hebreo hoe, Elia.)

Vondron’olona kely fotsiny ihany no naharay an’io fanambarana io. Ho an’ny ankabiazan’ireo mpitarika ara-pivavahana, dia tsy misy afa-tsy mpitsikera mafana fo an’ny rafi-pandaminan’izy ireo fotsiny i Jaona. Tsy hoe tsy nahalala an’ilay fanahin’i Elia fotsiny ihany izy ireo, fa ratsy lavitra, diso an’ny Fihavian’i Kristy ihany koa izy ireo.

Noho izany dia nahatanteraka ny faminanian’i Malakia ve i Jaona Mpanao-batisa? Tsy feno tanteraka.

Voalohany aloha, izao tontolo izao dia tsy mbola “nandoro toy ny fatana,” noho izany dia fantatsika fa ny ampahany farany an’ny Malakia 4 dia mbola hitranga. Ny ampahan-tSoratra hafa iray izay tsy mbola tanterak’i Jaona dia, “ny mamerina ny fon’ny zanaka ho amin’ny rainy.” Ary, Jesosy, Izy tenany, no naminany fa i Elia dia ho (ho avy) tonga ary hamerina ny zavatra rehetra amin’ny laoniny. (Mat 17:11)

Koa tsy maintsy miandry an’i Elia isika mialohan’ny Fihaviana Faharoa an’i Kristy!

Ankehitriny, ao amin’ity andro moderina ity, dia izao no fotoana ho an’ny Fihaviana Faharoa an’ny Tompo Jesosy. Eo indray koa, dia nampanantenaina isika fa ny fanahin’i Elia no hampiditra Azy amintsika araka ny Malakia 4. Saingy vondron’olona inona no hahalala an’i Elia rehefa tonga izy? Ireo izay miandry azy ihany.

Ireto Tenin’ny Tompontsika sy Mpamonjintsika ireto no tonga ao an-tsaina rehefa mieritreritra ny faminanian’i Malakia ho an’izao famaranana ny oran’ny fotoana izao isika:

Fa lazaiko aminareo, Ilay Elias dia efa tonga sahady, fa izy ireo no tsy nahafantatra azy... Matio 17:12

Ahoana moa raha diso an’ny fihavian’i Elia isika? Ho diso an’ny Fihaviana Faharoa an’i Kristy ve isika, tahaka an’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo izay diso an’ny Fihaviany Voalohany satria tsy nahalala an’i Jaona Mpanao-batisa izy ireo?

 

 

 

 

Fanoroan-teny

II Mpanjaka 2:15

Ary rehefa nahita azy nifanatrika teo Jeriko ireo zanaky ny mpaminany, dia hoy izy ireo hoe, Ny fanahin’i Elia no mipetraka ao amin’i Elisa. Dia nandeha nitsena azy izy ireo, ary niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany.

Isaia 40:3-4

Ny feon’izay miantso mafy any an-efitra hoe, Amboarinareo ny làlan’ny TOMPO, manaova làlambe any an-tany efitra ho an’Andriamanitsika.

Ny lohasaha rehetra hisandratra, ary ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra haetry: ary ny be havoana ho tonga tany marina, ary ny saro-dàlana ho tonga tany lemaka: [Jaona Mpanao-batisa]

Malakia 3:1

Indro, Izaho maniraka ny irako [Jaona Mpanao-batisa], ary izy no hanamboatra làlana eo alohako: ary ny Tompo, izay tadiavinareo, dia ho avy tampoka eo an-tempoliny, na dia ny iraky ny fanekena aza, izay irianareo dia: indro, tamy izy, hoy ny TOMPOn’ny maro.

Malakia 4:1-6

Fa, indro, avy ny andro, mandoro toy ny fatana [izay tsy mbola nitranga]; ary ny mpirehareha rehetra, hia, sy ny mpanao ratsy rehetra, dia ho vodivary: ka handoro azy ny andro izay ho avy, hoy ny TOMPON’ny maro, ka tsy hasiany miangana na ny fotony na ny sampany.

Fa hiposaka aminareo izay matahotra ny anarako kosa ny Masoandron’ny fahamarinana miaraka amin’ny fanasitranana eny amin’ny elany; ary hivoaka ianareo, ka hifaly havanja toy ny zanak’omby mifahy.

Ary hohitsahinareo ny ratsy fanahy; fa ho lavenona eo ambanin’ny faladianareo izy ireo amin’ny andro izay anaovako an’izany, hoy ny TOMPON’ny maro.

Tsarovinareo ny lalànan’i Mosesy mpanompoko, izay nandidiako azy tao Horeba ny amin’ny Isiraely rehetra, tamin’ireo didy sy fitsipika.

Indro, Izaho maniraka an’i Elia mpaminany ho aminareo mialohan’ny fihavian’ilay andro lehibe sady mahatahotra an’ny TOMPO:

Ary izy no hamerina ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka [Jaona Mpanao-batisa], ary ny fon’ny zanaka ho amin’ny rainy [Elia moderina], fandrao avy aho ka hamely ny tany amin’ny fandringanana.

Matio 11:10

Fa izy no izy, ilay voasoratra. Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha anao, izay hanamboatra ny làlanao eo alohanao. [Malakia 3:1, Jaona Mpanao-batisa]

Matio 11:14

Ary raha mety mandray azy ianareo, dia izy no Elias, izay ho avy. [Jaona Mpanao-batisa]

Matio 17:11-12

Ary Jesosy namaly ka nanao tamin’izy ireo hoe, Elias dia ho tonga tokoa aloha, ary hamerina ny zavatra rehetra amin’ny laoniny. [Elia moderina]

Nefa lazaiko aminareo, Ilay Elias dia efa tonga sahady, fa izy ireo no tsy nahafantatra azy, fa nanao izay sitraky ny fony taminy. Tahaka an’izany koa no hampijalian’izy ireo ny Zanak’olona. [Jaona Mpanao-batisa]

Lioka 1:17

Fa izy handeha eo alohany amin’ny fanahy sy ny herin’i Elias, mba hamerina ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka, ary ny tsy mankatò ho amin’ny fahendren’ny marina; mba hanamboatra vahoaka voaomana ho an’ny Tompo. [Jaona Mpanao-batisa]